airtel

Actualités

19-févr-2024

Rano be, gaboraraka, fahantrana

Mpitondra no tsy mahay, ny vahoaka no mizaka ny mafy

Sample post image

Na inona na inona resahana dia mikorontana ambony ambany ny eto Antananarivo

19-févr-2024

renivohitr’i Madagasikara. Na loto io, na rano miandrona, ny fisavoritahan’ny mpivarotra anaty tsena, amoron-dalana sy anaty arabe, ny gaboraraka amin’ny fifamoivoizana, mifangaro ao ny fiaran’olon-tsotra, taxi be, kamiao efa tsy misy ora voafaritra mazava fa dia mivezivezy amin’ny fotoana rehetra izay tiany sarety, posy, omby.
ANTONY 3 LEHIBE
Zavatra telo goavana no azo ambara fa antony fototra mahatonga izany dia ny : tsy fahaiza-mitantana, tsy fanajana lalàna sy fitsipika ary ny fahantrana . Raha ny fiainam-pirenena amin’ny ankapobeny no heverina dia ny taona 200 nisian’ny fanonganam-panjana sy fandrombaham-pahefana no nanomboka nivahavaha amin’izay ny fanajana lalàna teto. Rehefa nikomy ny miaramila, notaritina hanohitra ny fahefana sy tsy hanaja lalàna ny ampahany tamin’ny vahoaka, rehefa nampanantenaina izao fahagagana rehetra izao ireo sahirana dia izao iaraha-mahita izao ny vokany. Mitombo isa ireo mahantra, miha mafy ny koliikoly sy fandikan-dalàna, tsy misy miraharaha izany fandaminana izany intsony fa izay maha mety ny tenany no jereny aloha. Tsy dia hita intsony ny hoe fihavanana sy tombotsoa iombonana fa samy maka ho azy. Samy manorina trano amin’izay toerana tiany, samy manototra tany, dia io dibo-trano vao misy orana 10 minitra io ny tanàna.Rehefa tena oram-pahavaratra maharitra moa tonga dia tondra-drano amina faritra maro, mifangaro ao ny ranon’orana, rano miandrona sy rano maloto.
RY ZAREO ANEFA MILAMINA
Ny tena mahagaga dia toa mitazam-potsiny ny manampahefana, efa tao anatin’ny 10 taona izao no niha henjana ny resaka dibo-drano etsy sy eroa, tsy Antananarivo irery fa amina faritra maro manerana an’i Madagasikara.Izany dia noho ny toetry ny andro izay efa fantatra tsara fa miha ratsy manerana izao tontolo izao, fa eo ihany koa ny tsy fahampian’ireo fotodrafitrasa hiatrehana ny orana sy ny andro ratsy eto. Inona no antony tsy efa nandinihana paikady matotra mba isorohana ny fahavoazana na sanatria famoizana aina ? Valiny : satria mbola variana amin’ny zavatra hafa, variana amin’ny sehoseho ivelany, variana amin’ny fomba hifikirana eo amin’ny toerana, variana amin’ny resaka voninahitra …Ny vahoaka no miaina anaty loto sy rano maimbo, ny mpitondra fanjakana miaina anaty lapa, misakafo tsara, mivoaka any ivelany matetika fa hoe manatrika fivoriana, makamaka sary avoaka amin’ny facebook dia mody arahana tenin’ny soratra masina. Tsy maintsy misy akony ratsy any amin’ny fiainam-pirenena sy ny fiainam-bahoaka ny tsy fahaiza-mitantan’ny mpitondra fanjakana.Izay no izy fa tsy misy antony hafa na mbola hiala bala indray.
RTT
 

Dans la même rubrique

14-mai-2024

Nifoha indray ny afera Jirama mikasika kolikoly goavana nahasaraingotra ireo mpitantana sasany.

Card image cap
14-mai-2024

Mbola mahatratra 50.000 ireo raharaham-pitsarana mihantona eo anivon’ny Fitsarana ambaratonga

Card image cap
14-mai-2024

12 tapitrisa Ariary no vidin’ilay vola volamena 50 Ariary milanja 1 Oz na 31,104 grama,

Card image cap
14-mai-2024

Endrey izany fiedinedin’ireo mpanao politika, maneho ny antsoina hoe :

Card image cap
14-mai-2024

Mikolay ny mpampiasa sy mpikirakira internet nanomboka ny alahady tolakandro teo noho ny haratsian’ny

Card image cap
14-mai-2024

Lasa mpilalao sary mihetsika malaza i Marc Tatandraza.

Card image cap