airtel

Actualités

07-févr-2024

Rano miakatra be, loza manambana

Tandindonin-doza ireo lalovan’i Sisaony !

Sample post image

Niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera ny mety ho fisiana rano trambo

07-févr-2024

amin’ny reniranon’i Sisaony mandalo an’Antananarivo ny alina teo. Tena misy ny fiakaran’ny rano, ka namoaka filazana loza manambana na fanairana miloko mavo ny APIPA (Autorité pour la Protection Contre les Inondations de la Plaine d’Antananarivo) ho an’ny lemak’Antananarivo lalovan’ny Reniranon’i Sisaony. Voakasik’izany ny kaominina Tsiafahy, Androhibe, Antsahadinta, Antanetikely Ambohijoky, Alatsinainy Ambazaha, Ampahitrosy, Soalandy, Ampanefy, Anosizato Andrefana, Ampitatafika, Ambavahaditokana, Fenoarivo, Itaosy, Ambohitrimanjaka, Fiadanana, Ampangabe. Io omaly io tamin’ny 6 ora hariva. Nahatratra 2,10m ny hahavon’i Sisaony teo amin’ny mari-drefin’Andramasina,izay nambara fa nisina 0,20 m tao anatin’ny 3 ora, izay tany am-potony moa, saingy tena rano be raha ny sary avy tany an-toerana, izay 40km eo miala an’Antananarivo moa. 2,54m ny haavon’i Sisaony teo a min’ny Mari-drefin’Ampitatafika tamin’io ora io ihany, ka niakatra 0,57% m tao anatin’ny 3 ora nialohan’io, ary nambara fa mbola hiakatra ao anatin’ny 12 ora manaraka. Tratra ny 2,50m refy fanairana ho an’ny loza manambana miloko mavo, raha toa ka 3,50m ny filazana loza mitatao ho an’i Sisaony eo amin’ny mari-drefin’Ampitatafika. Ho an’ny reniranon’Ikopa kosa indray, teo amin’ny 1,59m ny haavony ho an’ny mari-drefin’Ambohimanambola, ary tsy niakatra sady tsy nidina tao anatin’ny 3 ora raha ny tatitra. Hiakatra kosa ao anatin’ny 12ora, hoy ny tatitra omaly. 3,50m ny filazana loza mitatao ho an’Ikopa eo amin’ny mari-drefin’Ambohimanambola. Teo amin’ny 2,35m kosa ny haavony ho an’ny mari-drefin’i Bevomanga, izay nisy fiakarany 0,02m tao anatin’ny 3ora, ary mbola hiakatra ao anatin’ny 12ora, hoy ny tatitra. 4,00m ny refy filazana loza manambana eo. Ny akariva sy alina taorian’io anefa dia nijohy ny rotsak’orana teto amin’ny Faritra Analamanga tamin’ny ankampobeny. Manambana noho izany ny fiakaran’ny rano, ary efa nanaitra ny maro ny tranga tao Behenjy amin’iny RN7 iny ny andron’ny omaly satria dobo ny tanàna, nanahirana ny làlana noho ny fiakaran’ny rano. Nisy moa ny fivahinianan’ny Tale Jeneralin’ny APIPA sy ny Tale Jeneralin’ny BNGRC tao amin’ny TVM omaly nanao fanentanana sy nanome antoka fa efa mandeha ny fiomanana sy fandraisana fepetra samihafa. Ho an’ny eto Antananarivo Renivohitra dia fahita foana ihany koa ny fisiana toerana traboina amin’ny vanim-potoana tahaka izao saingy ahiana ho mafy ny fahavoazana noho ny fahabetsahan’ny orana, ny fahatsentsenan’ny lakandrano samihafa,… Entanina ny rehetra hiomana, ho mailo, hitandrina !
Toky R

 

Dans la même rubrique

14-mai-2024

Nifoha indray ny afera Jirama mikasika kolikoly goavana nahasaraingotra ireo mpitantana sasany.

Card image cap
14-mai-2024

Mbola mahatratra 50.000 ireo raharaham-pitsarana mihantona eo anivon’ny Fitsarana ambaratonga

Card image cap
14-mai-2024

12 tapitrisa Ariary no vidin’ilay vola volamena 50 Ariary milanja 1 Oz na 31,104 grama,

Card image cap
14-mai-2024

Endrey izany fiedinedin’ireo mpanao politika, maneho ny antsoina hoe :

Card image cap
14-mai-2024

Mikolay ny mpampiasa sy mpikirakira internet nanomboka ny alahady tolakandro teo noho ny haratsian’ny

Card image cap
14-mai-2024

Lasa mpilalao sary mihetsika malaza i Marc Tatandraza.

Card image cap