airtel

Actualités

07-févr-2024

RANO TRAMBO METY HANDALO ENY SISAONY

Nametrahana sambo haingam-pandeha roa eny Atsimondrano

Sample post image

Nametrahana sambo haingam-pandeha miisa roa omaly hariva teny amin’ny

07-févr-2024

distrikan’Atsimondrano taorian’ilay vaovao niely mikasika ny mety ho fiakaran’ny reniranon’i Sisaony tampoka omaly Talata 06 Janoary alina. Fepetra noraisin’ny birao nasionaly misahana ny loza voajanahary io ka nisy mihitsy ireo tompon’andraikitra efa natory teny an-toerana alina, niampy ireo fiara hahafahana mitatitra ireo traboina. Teny Ampitatafika Atsimondrano no nametrahana ilay sambokely iray voalohany raha teny Ampanefy kosa ny iray. Toerana miisa efatra ankoatra ireo no mbola tena atahorana dia Anosizato Andrefana, Ampahitrosy ary Soavina izay samy be mponina be avokoa ary maro olona mipetraka manamorona ny reniranon’i Sisaony. Efa nantsoina ihany koa moa raha araka ny fantatra ny lehiben’ny distrikan’Atsimondrano sy ny Ben’ny tanana hahafahana mandray ny fepetra mifandraika amin’izany, notronin’ny Ministeran’ny mponina sy ny avy ao amin’ny tafika. Vonona ihany koa moa ny sampana mpamonjy voina raha misy ny ilana azy hoy hatrany ny vaovao.
Pati
Sary fanehoana
 

Dans la même rubrique

14-mai-2024

Nifoha indray ny afera Jirama mikasika kolikoly goavana nahasaraingotra ireo mpitantana sasany.

Card image cap
14-mai-2024

Mbola mahatratra 50.000 ireo raharaham-pitsarana mihantona eo anivon’ny Fitsarana ambaratonga

Card image cap
14-mai-2024

12 tapitrisa Ariary no vidin’ilay vola volamena 50 Ariary milanja 1 Oz na 31,104 grama,

Card image cap
14-mai-2024

Endrey izany fiedinedin’ireo mpanao politika, maneho ny antsoina hoe :

Card image cap
14-mai-2024

Mikolay ny mpampiasa sy mpikirakira internet nanomboka ny alahady tolakandro teo noho ny haratsian’ny

Card image cap
14-mai-2024

Lasa mpilalao sary mihetsika malaza i Marc Tatandraza.

Card image cap