sahady ny ora-mikija teto amintsika ny faran’ny herinandro teo. Vokatry ny firodanan’ny tamboho teo akaikin’ny tranon’izy ireo no nahatonga ny loza ka nahatonga azy 3 mianaka nihitsoka tsy afa-nivoaka tao amin’ny rihina faharoa sy fahatelo. Roalahy iraitampo 21 sy 18 taona izy ireo miaraka amin’ny Reniny. Voatery niantsoana ny sampana mpamonjy voina tetsy Tsaralalana mihitsy moa nisikotra azy 3 mianaka tao an-trano vao hita ny razana. Tonga nitsapa alahelo ny fianakaviana teny an-toerana ny PDS –n’Antananarivo Georget Alexandre mivady afak’omaly sabotsy 23 novambra notronin’ny Sekretera jeneraly eo anivon’ny Kaominina. Ho an’ilay zazalahy kely iray naratra mafy nalefa notsaboina etsy amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha moa ka tsy maintsy mandalo fandidiana dia fantatra fa horaisin’ny Kaominina Antananarivo renivohitra an-tanana avokoa ny fikarakarana azy. Hanomboka amin’ity herinandro vaovao ity ihany koa ny asa fisokirana sy fanadiovana ireo tata-drano eto an-drenivohitra raha araka ny fanazavan’ny PDS vaovao hiarovana ny mponina amin’ny tondra-drano mandritra ny fotoam-pahavaratra. Alevina anio Alatsinainy 25 Novambra moa izy 3 mianaka ireto. Entina etsy amin’ny Ekar Masindahy Joseph Mahamasina mialohan’ny hametrahana ny nofony eny amin’ny fasan-drazany eny Miadana Alasora.
Pati
Tany amin’ny fakàna ny Airbus A 340
Te hanohy ny fiaraha-miasa amin’i Madagasikara ny
Mihazakazaka ny raharaha 11 miliara nindramin’ny