Sady tsy lasa fananan’olon-tokana toy ny vahiny anefa izany ampahany nofefena izany no tsy lasa fananan’ny kaominina ihany koa. Nandiso tanteraka io feo niely io ny Ben’ny tananan’ny kaominina Antehiroka Atoa Lalaina Vatosoa raha nanamafy ny fanazavany. Nambarany fa avy tamin’ny fangatahan’ireo mpanarato sy mpanjono mivondrona ao amin’ny fikambanana Loharanontsoa no antony nanosika ny kaominina hamefy io faritra voatokana io. Faritra natao hanatodizan’ny trondro io na ilay antsoina hoe : zone frait izy io, izay manaraka ny fenitra tokoa ho fampanjariana ny jono an-dranomamy. Mitokana no sady tsy misy mpanelingelina koa izy ary tsy azon’ireo mpanarato sy mpanjono kitihina ihany koa. Tanjona amin’izany ny tsy hahalany tamingana ireo trondro ao anatin’ity renirano ity. Toraka izany koa ny tsy hifangaroan’ireo trondro manatody sy tsy manatody izay mety miara-voaraokan’ny mpanjono sy ny mpanarato raha tsy misy fitandremana. Tsiahivina moa fa taorian’ny fiofanana natrehin’ireo mpanarato sy mpanjono no nanosika ny kaominina hanatanteraka ity tetikasa iray ity. Anisan’ny asa tanterahin’ny kaominina tsy mitsahatra ihany koa ny famatsiana zana-trondro isan-taona ny reniranon’i Mamamba. Iraisan’ny kaominina Ivato sy Antehiroka moa ny reniranon’i Mamamba raha tsiahivina.
Pati
Legende : Ilay faritra nofefena eo amin’ny reniranon’i Mamamba
Teo anatrehan’ny fiakaran’ny vidin’ny entona fandrehitra (gaz butane),
DELESTAZY ANY AMIN'NY RN1 Ahiana hitroatra ny vahoaka, ora 8 isan'andro raha kely
Miha sahirana indray ny SMA (Société Municipale d’Assainissement) amin’ny
Aina miisa telobe izao no indray nafoy tany amin'ny Fokontany Mahambolona,
Manahy ny ho tapaka rano koa ireo mponina etsy amin'ny Fokontany 67 Ha Avaratra Andrefana,
Efa 45 taona ny nijoroana sy nanaovana fanentanana mikasika ny ady