airtel

Actualités

24-déc-2024

RANON’IKOPA

Nitelina zazalahy kely iray nilomano indray

Sample post image

Nitelina zazalahy kely iray vao 10 taona monja indray ny ranon’Ikopa ny Zoma 20 Desambra lasa teo.

24-déc-2024

Raha araka ny fantatra dia ankizy nilomano io namoy ny ainy io. Niisa 10 izy ireo no nanararaotra ny hafanan’ny andro kinanjo latsaka tampoka tany anaty lava-pofotra ny iray. Mbola afaka niantso vonjy sy nisarangotra ihany izy io raha araka ny fitantaran’ireo namany. Rehefa hitan’ny sasany anefa fa nihanavesatra izy dia navotsotr’izy ireo hany ka nafoiny hatramin’ny ainy. Taorian’izay vao niakanjo ireo namany nampandre ny fianakaviana. Efa vatana mangatsiaka sisa no novantanin’ireto farany tamin’izany. Raha ny fantatra moa dia efa kamboty Ray io zaza io. Afak’omaly no nalevina ny razana. Tsiahivina fa ambohim-pihaonan’ireo ankizy madinika eny amin’iny faritr’Ampasika sy Itaosy ary Andohatapenaka iny ny fotoana mampahafana ny andro tahaka izao mba hilomanosana ao amin’ny ranon’Ikopa. Miisa 5 izy ireo raha kely no miaraka ka misy mahavita misaoty avy eny ambony tetezana mihitsy ny sasany mankany anaty rano mba hampisehoana ny fahaiza-manaony. Tokony ho mailo isika Ray aman-dReny manoloana izany. Tsy mahalany rano iray zinga akory mantsy ny ankizy iray dia mamoy ny ainy raha sanatria ka lasa any anaty lava-pofotra tahaka izao.
Pati
Legende : Maka olona hatrany ny ranon’Ikopa !

 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Nanokatra ny fampiratiana ara-pizahatany ITM (Iternational Tourism Fair) andiany faha-11 ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina omaly.

Card image cap
13-juin-2025

Anisan’ny navoitran’ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly teny amin’ny Antenimierampirenena ny hoe :

Card image cap
13-juin-2025

Renim-pianakaviana iray monina eny Fenoarivo Atsimondrano eny no fantatra

Card image cap
12-juin-2025

Na ny ao amin’ny JIRAMA aza izao izany dia milaza fa hatramin’ny faran’ny taona

Card image cap
12-juin-2025

Manamafy avo roa heny ny fahamailoana ny SAMIFIN izay sampan-draharaha misahana

Card image cap
12-juin-2025

Lany teny anivon'ny Antenimieram-pirenena ny tolo-dalàna miaro manokana ireo varira

Card image cap