airtel

Actualités

01-févr-2024

RENIRANON’I SANDRAGNANTA IKONGO

Nitelina Raim-pianakaviana iray indray

Sample post image

Nitelina olona indray ny reniranon’i Sandragnanta any amin’ny distrikan’ Ikongo.

01-févr-2024

Raim-pianakaviana iray antsoina hoe : Thierry avy ao amin’ny Fokontany Ambatoharanana Kaominina sy Distrikan´Ikongo no lasibatra afak’omaly Alatsinainy 28 Janoary. Manodidina ny 42 taona eo Itompokolahy. Raha araka ny voalazan’ireo olona niezaka nanavotra ny tra-doza dia nitatitra vato tamin’ny Lakana izy no nisy lolon-rano nandalo tampoka niendrika, rivotra nifofofofo namaky ilay rano, ka nihilana ny lakana nentin’Itompokolahy. Omaly Alarobia atoandro tokony ho tamin’ny 12 ora atoandro vao hita teo akaikin´ny toerana nampihitsoka azy ny razana izany hoe : efa niloan-drano nandritra ny 48 ora. Miantso ireo vahoakan’Ikongo mampiasa ny reniranon’i Sandragnanta araka izany ireo tompon’andraikitra any an-toerana mba samy hitandrina. Ho an’ireo tsy maintsy mampiasa azy hoy izy ireo dia tokony ho tandroavana hatrany ny fahadiovany noho ny hamaroan’ireo karazana fady tsy azo dikaina amin´io renirano io. Miantso ny mponina mba hampita izany amin’ireo vahiny ihany koa ireo tompon’andraikitra any an-toerana.
Pati
Legende : Ity no reniranon’i Sandragnanta aminy !
 

Dans la même rubrique

14-mai-2024

Nifoha indray ny afera Jirama mikasika kolikoly goavana nahasaraingotra ireo mpitantana sasany.

Card image cap
14-mai-2024

Mbola mahatratra 50.000 ireo raharaham-pitsarana mihantona eo anivon’ny Fitsarana ambaratonga

Card image cap
14-mai-2024

12 tapitrisa Ariary no vidin’ilay vola volamena 50 Ariary milanja 1 Oz na 31,104 grama,

Card image cap
14-mai-2024

Endrey izany fiedinedin’ireo mpanao politika, maneho ny antsoina hoe :

Card image cap
14-mai-2024

Mikolay ny mpampiasa sy mpikirakira internet nanomboka ny alahady tolakandro teo noho ny haratsian’ny

Card image cap
14-mai-2024

Lasa mpilalao sary mihetsika malaza i Marc Tatandraza.

Card image cap