airtel

Actualités

01-févr-2024

Rivo Rakotovao_Raharaha boaderozy

« Manilika ny fitondrana, gadrao ary izay tompon’antoka »

Sample post image

Tsy niandry ela, fa nitondra setriny avy hatrany mikasika ny vaovaom-panjakana fa boaderozy

01-févr-2024

efa tamin’ny 2014-2016 ireo tratra, izay nanononana ny Fanjakana HVM ny Mpandrindra nasionalin’io Antokon’ny fitondrana teo aloha io Atoa Rivo Rakotovao ny andron’ny omaly. Nambarany tamin’ny fahitalavitra iray, fa miaro tena, manilika andraikitra ny fitondrana ankehitriny. «Azy ireo ny fahefana koa nahoana no tsy raisina ny andraikitra, omena ny porofo ary samborina izay tompon’antoka tamin’ny fanondranana an-tsokosoko », hoy i Rivo Rakotovao. Nambarany fa olon-tsotra, tsy manana fahefana no namoaka ny raharaha « andramena 22 kaontenera » tamin’ny tambazotran-tserasera vao mikoropaka ny fanjakana, ary milaza fa efa tamin’ny fitondrana HVM no nisehoan’ny raharaha. Ry zareo anefa no eo amin’ny fitondrana izao, aiza ny « continuité d'État » ary nahoana no tsy gadraina izay tompon’antoka na iza na iza raha mandray andraikitra? Hoy hatrany ny fanehoan-kevitr’i Rakotovao Rivo, mpandrindra nasionalin’ny Antoko HVM. « Betsaka tao anatin’ny 5 taona ny trafika hita tany Kaomoro, Afrika Atsimo, Dubaï,… kanefa tsy mba naheno ny ladoany niteny. Matoa miteny dia fantany izany ny ao ambadik’io ? Iza ilay olona na tamin’ny andron’iza na iza ? Farafaharatsiny fantatra ny « transitaire ». Tompon’andraikitra daholo rehefa mpitondra Fanjakana. Na tamin’ny andron’iza na iza, nahoana no efa misy mamoaka amin’ny tambajotran-tserasera vao mikorapaka ny mpitondra Fanjakana ? Efa tamin’ny 2022 no voalaza fa efa nokotrokotrohana tao ka nahoana no tsy nandray andraikitra ny fitondram-panjakana », hoy i Rivo Rakotovao. Raha hilaza hoe : tamin’ny andron’iza na andron’iza dia nampahatsiahy ny tamin’ny tetezamita i Rivo Rakotovao. Izay no mahatonga ny olona hifikitra be amin’ny toerany raha ny nambarany. Ny tsy azo lavina aloha izany, na tao anatin’ny Fanjakana tetezamita, na tao anatin’ny Fitondrana HVM, dia nisy ireo trafikana boaderozy, fa hatreto dia afa-bela sy migalabona ny ankamaroan’ireo matretre izay tena manan-katao sy mety tompon’ny fahefana na mahavidy ny Fanjakana tamin’ny fotoan’androny, ka afa-bela hatrany. Mijanona eo amin’ny fifampiampangana sy fifanilihana hoe : an’iza sy tamin’ny andron’iza ve?
Toky R

 

Dans la même rubrique

14-mai-2024

Nifoha indray ny afera Jirama mikasika kolikoly goavana nahasaraingotra ireo mpitantana sasany.

Card image cap
14-mai-2024

Mbola mahatratra 50.000 ireo raharaham-pitsarana mihantona eo anivon’ny Fitsarana ambaratonga

Card image cap
14-mai-2024

12 tapitrisa Ariary no vidin’ilay vola volamena 50 Ariary milanja 1 Oz na 31,104 grama,

Card image cap
14-mai-2024

Endrey izany fiedinedin’ireo mpanao politika, maneho ny antsoina hoe :

Card image cap
14-mai-2024

Mikolay ny mpampiasa sy mpikirakira internet nanomboka ny alahady tolakandro teo noho ny haratsian’ny

Card image cap
14-mai-2024

Lasa mpilalao sary mihetsika malaza i Marc Tatandraza.

Card image cap