airtel

Actualités

10-janv-2024

Rivodoza sy andro ratsy

Tafakatra 19 ny maty, 32 000 mahery traboina

Sample post image

Mitombo ny fahavoazana vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Alvaro sy ny andro

10-janv-2024

ratsy navelany. Tafakatra 19 ireo namoy ny ainy, araka ny antontan’isan’ny Biraom-pirenena misahana ny loza sy ny tandin-doza na ny BNGRC omaly 09 janoary 2024 tamin’ny 3 ora tolakandro. Na teo aza ny fahalefahan’i Alvaro mitaha amin’ireo rivodoza mahery vaika satria tao anatin’ny sokajy « Forte Tempête Tropicale » dia henjana io fahavoazana io fahafatesana olona maro io, izay 04 tany Beroroha, 03 Manakara, 01 Vohipeno, 01 Manja, ary tafakatra 10 kosa ny tany Ikongo izay lasibatra indrindra. Ankoatra ireo, mahatratra 32 897 ny traboina izay avy amin’ny tokantrano 7519. Tafakatra 1 6717 ny olona nafindra toerana avy amin’ny tokantrano 3 643 no nafindra tany amin’ny toerana fanatobiana ny traboina. 6 616 ny trano dibo-drano, 426 ny trano nisy fahasimbana, 242 ny trano rava, 59 ny fianarana niendaka tanteraka ny tafony, ary 15 ny efitranon-tsekoly simba tamin’ny ampahany. Tafakatra 3 250Ha ihany koa ny tanimbary dibo-drano, ary 03Ha ny tototry ny fasika,… Henjana ny fahavoazana raha tarafina amin’io, ary tokony hisy ny politika mazava hanarenana ny fahavoazana tahaka io resaka fambolena io satria mety hiantraika any amin’ny resaka fanjarian-tsakafo.
Toky R


 

Dans la même rubrique

14-mai-2024

Nifoha indray ny afera Jirama mikasika kolikoly goavana nahasaraingotra ireo mpitantana sasany.

Card image cap
14-mai-2024

Mbola mahatratra 50.000 ireo raharaham-pitsarana mihantona eo anivon’ny Fitsarana ambaratonga

Card image cap
14-mai-2024

12 tapitrisa Ariary no vidin’ilay vola volamena 50 Ariary milanja 1 Oz na 31,104 grama,

Card image cap
14-mai-2024

Endrey izany fiedinedin’ireo mpanao politika, maneho ny antsoina hoe :

Card image cap
14-mai-2024

Mikolay ny mpampiasa sy mpikirakira internet nanomboka ny alahady tolakandro teo noho ny haratsian’ny

Card image cap
14-mai-2024

Lasa mpilalao sary mihetsika malaza i Marc Tatandraza.

Card image cap