airtel

Actualités

04-août-2022

Actualités

Solika mbola nifampitadiavana Tsy hisy ao anatin’ny 7 hatramin’ny 10 andro?

Sample post image

Tsy araka ny nambara ny zava-niseho omaly na teo aza ny fanambarana nataon’ny Tale Jeneralin’ny Ofisim-pirenena misahana ny angovo na OMH, fa ampy ny tahirin-tsolika eto Madagasikara,

04-août-2022

ary miverina ny famatsiana ho an’ireo nisy olana tahaka an’Antananarivo, Antsirabe, Fianarantsoa,… Toerana maro no tsy nahitana solika teto Antananarivo omaly, nitandahatra ny taksibrosy sy ny taksibe tany amin’ireo mbola nanana tahaka ny teny amin’ny By Pass. Nisy kosa ireo omaly vao nahatonga solika, tahaka ny tazana teny Ampasapito sy Ankadindramamy ambany. Ny Galana sy Jovenna no saika tsy nisy solika tamin’ny ankampobeny, lany ny tahiry ka tsy nivarotra nanomboka ny alatsinainy. Tena tsy nisy gazoala, ka dia niala maina ireo mpampiasa fiara. Misy moa ny mpanao politika naneho fa isan’ny anton’izao toe-javatra izao ny fifanolanana eo amin’ny Fanjakana sy ny orinasan-tsolika. Voalaza fa manodidina ny 1000 miliara Ar ny trosa, kanefa tsy manaiky ihany koa ny Fanjakana fa 550 miliara Ar ihany no mitombina sy hefaina, raha ny fanehoan-kevitra mandeha. Ny Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo tetsy andaniny nilaza fa tsy fahampian’ny enti-manana teo amin’ny orinasa roa mpanafatra solika no antony. Tsy orinasa iray ihany no mpanafatra solika eto madagasikara. Miisa 4 izy ireo ka ny tsy fahampian’ny enti-manan’ny anankiroa tamin’izy ireo no tsy nampisy ny solika teny amin’ny tobin-tsolikany, hoy hatrany io minisitra io. Taorian’ny fivoriana niarahana tamin’izy ireo dia voalaza fa nifanaiky ny hifanampy izy ireo ka izay tsy manana dia ampindramina. Ity fandaminana ity no somary tara, hoy hatrany ny minisitra ka nahatonga ny olana. Nambara fa efa mandeha amin’ny tokony ho izy ny fitsinjarana amin’izao, saingy tsy tena mbola izay ny sary niseho omaly. TSY METY MITAONA SOLIKA IREO MPITATITRA? Etsy andaniny, misy ny hafatra niparitaka omaly nindrika toromarika maneho hoe : “manaova « plein », hisy ny tsy fisiana solika indrindra fa ao anatin’ny 7 ka hatramin’ny 10 andro. Araka ny ambaran’ireo mpitatitra solika, tsy mety mameno ireo fiara mpitatitra gazoala ao Toamasina». Andrasana izay mety ho setriny sy fandisoana avy amin’ny Fanjakana fa raha zohiana tamin’ny resaka nataon’ireo tompon’andraikitra sy ny filazany fa milamina ny zava-drehetra kanefa tsy izay no niseho hatry ny omaly, dia midika fa tena misy ny olana goavana momba ny solika.
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-mai-2025

An-taona maro no efa nilazàna fa zary fasana tetikasa sisa ity Madagasikara ity.

Card image cap
19-mai-2025

Nifamahofaho ny vaovao Toliara ny faran’ny herinandro tao Toliara, teo anatrehan’ny fanasan’ny Fanjakana

Card image cap
19-mai-2025

Mandeha ny resaka amin’ny hampidirana ireo manana trosa amin’ny Jirama mba

Card image cap
19-mai-2025

Manoloana ny zava-mitranga tatoato, resaka zaza very, maty sy ny tariny izay

Card image cap
19-mai-2025

Manoloana ny zava-mitranga tatoato, resaka zaza very, maty sy ny tariny

Card image cap
16-mai-2025

Nanao ny tatitra ampahibemaso momba ny asany tao anatin’ny taona 2024 ny

Card image cap