airtel

Actualités

18-juil-2024

SORA-PIANKOHONANA

Za raha ny 25%-n’ny Malagasy no manana

Sample post image

Ny 25%-n’ny Malagasy monja sisa no mba manana sora-piankohonana eto amintsika amin’izao taona 2024 izao.

18-juil-2024

Hatramin’ny taona 2008 no mankaty mantsy dia tsy nitsaha-nitontongana izany raha araka ny fanazavan’ny sampandraharaha misahana ny fanisana ny mponina na ny INSTAT. Ireo zaza teraka any ambanivohitra sy ireo monina any amin’ny faritra saro-dalana no tena voakasik’izany. Manana 12 andro anefa raha tsiahivina ny fianakaviana iray manana Reny tera-bao milaza ny fahaterahan’ny zaza iray ao aminy ary efa nohitarina hatramin’ny 30 andro mihitsy izany amin’izao saingy mbola tsy nahitam-bokany. Tanjona anefa ny mba hananan’ny 100%-n’ny Malagasy sora-piankohonana feno hatramn’ny taona 2030. Nandinika izany tetsy amin’ny Hotel Colbert omaly Alarobia 17 Jolay ireo mpiara-miombon’antoka miisa 8 nahitana ny OIF na ny Organisation Internationale de la Francophonie hahafahana manatratra io tanjona io. Distrika miisa 33 manerana ny faritra 14 no efa nanaovana ny fanandramana ka olona miisa 1.680.000 no efa nahazo tombontsoa. Amin’ity indray mitoraka ity indray dia olona miisa 56.000 no kendrena hisitraka izany sora-piankohonana izany arahin’ny fidinana ifotony entina hampahafantarana azy ireo ny hahasarobidin’izany fananana kopia mari-pahaterahana izany.
Pati
Legende : Tsy manana kopia mari-pahaterahana fa tsy maintsy hanaovana hetsika tahaka izao ny ankamaroan’ny Malagasy !
 

Dans la même rubrique

02-juin-2025

Teo anatrehan’ny fiakaran’ny vidin’ny entona fandrehitra (gaz butane),

Card image cap
02-juin-2025

DELESTAZY ANY AMIN'NY RN1 Ahiana hitroatra ny vahoaka, ora 8 isan'andro raha kely

Card image cap
02-juin-2025

Miha sahirana indray ny SMA (Société Municipale d’Assainissement) amin’ny

Card image cap
02-juin-2025

Aina miisa telobe izao no indray nafoy tany amin'ny Fokontany Mahambolona,

Card image cap
02-juin-2025

Manahy ny ho tapaka rano koa ireo mponina etsy amin'ny Fokontany 67 Ha Avaratra Andrefana,

Card image cap
02-juin-2025

Efa 45 taona ny nijoroana sy nanaovana fanentanana mikasika ny ady

Card image cap