airtel

Actualités

30-déc-2022

Actualités

Talen’ny CROUA Nahazo sazy miantona 2 taona sy lamandy 15 tapitrisa Ar

Sample post image

Tsy niandry ela fa omaly alakamisy 29 desambra ihany dia niakatra tetsy amin’ny Fitsarana Anosy ilay raharaha

30-déc-2022

fampidirana am-ponja vonjimaika ny talen’ny CROUA na ny Centre régional des œuvres universitaires d’Antananarivo Atoa Mamisoa Aina. Sazy miantona 2 taona sy fandoavana lamandy 15 tapitrisa Ar no sazy azony tamin’izany izay nomarihin’ny maitre Ravonjiarivelo nitafa tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny fitsarana fa tena tsy nahafa-po azy ireo tokoa ka hiroso amin’ny fampiakarana izany tsy ho ela izy ireo. Na izany aza dia nankasitraka ny fitsarana ity maitre ity noho ny fahendrena nasehon’ireto farany. Manana 10 andro izahay hanaovana izany hoy izy. Nomarihin’ny tale lefitry ny CROUA Ravonjisoa kosa fa tompon’andraikitra feno amin’ny foto-drafitrasa mitsangana eo ambonin’ny tany eny amin’ny toeram-pianaran’ny mpianatra eny Ankatso ny CROUA raha an’ny fanjakana ny tany. Ny hofantranon’ny mpianatra eny amin’ny Cité sy ny hofan’ireo tsenakely eny amin’ny manodidina hoy izy no mba hany vola miditra amin’ny CROUA. Ny nahavariana tamin’ity tranga izay nampidirana am-ponja ny talenay ity anefa, hoy izy dia fanamboarana tsenakely no no kasain’ilay mpitory atao nefa lasa tamboho 400 metatra manodidina izany, antony nanosika ny CROUA handrava azy.
Pati
Legende : Ny talen’ny CROUA Atoa Mamisoa Aina
 

Dans la même rubrique

19-mai-2025

An-taona maro no efa nilazàna fa zary fasana tetikasa sisa ity Madagasikara ity.

Card image cap
19-mai-2025

Nifamahofaho ny vaovao Toliara ny faran’ny herinandro tao Toliara, teo anatrehan’ny fanasan’ny Fanjakana

Card image cap
19-mai-2025

Mandeha ny resaka amin’ny hampidirana ireo manana trosa amin’ny Jirama mba

Card image cap
19-mai-2025

Manoloana ny zava-mitranga tatoato, resaka zaza very, maty sy ny tariny izay

Card image cap
19-mai-2025

Manoloana ny zava-mitranga tatoato, resaka zaza very, maty sy ny tariny

Card image cap
16-mai-2025

Nanao ny tatitra ampahibemaso momba ny asany tao anatin’ny taona 2024 ny

Card image cap