izay miara-dia sy miray feo amin’ireo Raiamandreny ara-drazana manoloana ny toe-draharaham-pirenena. Milaza izy ireo, fa mivelatra amin’ny Faritany miisa 6, ary eo ihany koa ny Diaspora izay efa mifandray amin’izy ireo, ary misy anjara toerany ao anatin’ny Fikambanana, nasiana birao manokana. Hiara-dia ao anatin’ny tolona izy ireo, izay naneho fa mazava be ny zava-misy eto amin’ny Firenena. « Betsaka ny tsy mifanaraka amin’ny tena fiainam-bahoaka izay tena Malagasy eny ifotony, tsy mandeha araka ny tokony ho izy intsony, ary ny tanindrazana ihany koa dia iaraha-mahalala fa tsy tena Malagasy no mitondra azy, ka ny tolona ataonay voalohany dia hoe : avereno amin’ny Malagasy izay tena tompon’ny tanindrazana i Madagasikara », hoy ny Filohan’ity fikambanana ity Atoa Raolizon Anjarasoa. Mitaky ny fiverenenana amin’ny tany tan-dalàna ihany koa izy ireo, ka naneho fa rehefa tena miverina amin’ny tompony ny firenena, dia mazava ho azy fa miova manaraka an’izay makany amin’ny mety kokoa amin’i Madagasikara ny tolona. Nampahatsiahy izy ireo, fa vao nanomboka ny famoahana ny datim-pifidianana no efa nanipika fa tsy mety io, misy zavatra mila alamina,… Nilaza hanatrika ny fivoriam-be hotarihin’ny Raiamandreny ara-drazana ny 13-14 desambra izy ireo, ary miantso ny tanora manerana ny Nosy hiara-dàlana ao anatin’izany handinika sy hametraka tondrozotra hitondrana ny Firenena. Nilaza ho tsy manohana olona na antoko io fikambanana io, fa manohana ny finiavana hikaro-bahaolana hivoahan’i Madagasikara amin’ny krizy.
Toky R
Teo anatrehan’ny fiakaran’ny vidin’ny entona fandrehitra (gaz butane),
DELESTAZY ANY AMIN'NY RN1 Ahiana hitroatra ny vahoaka, ora 8 isan'andro raha kely
Miha sahirana indray ny SMA (Société Municipale d’Assainissement) amin’ny
Aina miisa telobe izao no indray nafoy tany amin'ny Fokontany Mahambolona,
Manahy ny ho tapaka rano koa ireo mponina etsy amin'ny Fokontany 67 Ha Avaratra Andrefana,
Efa 45 taona ny nijoroana sy nanaovana fanentanana mikasika ny ady