airtel

Actualités

06-avril-2023

Actualités

Taorian’ny raharaha horonam-peo Miezaka manatsara endrika ny zandary

Sample post image

Misy hatrany ny fanazarantena ataon'ireo zandary lahy sy vavy miasa eo anivon'ny Hery vonjy taitran'ny

06-avril-2023

zandarimariam-pirenena na FIGN ho fiomanana manoloana ireo ambana mety hiseho sady ho fitaizam-batana sy saina ary hitazonana ny traikefa izay ananana, hoy ny serasera nataon’ny avy eo anivon’ny FIGN omaly. Nanatontosa hazakazaka lavitr'ezaka valo kilometatra (8Km) miampy vesatra folo kilao (10Kg) izy ireo omaly faha 5 aprily vao mangiran-dratsy. Namafisin'ny Kolonely lefitra voalohan'ny kaomandin'ny FIGN, izay nitarika azy ireo fa ao anaty vatana salama sy matanjaka no misy ny fahakingana sy faharanitan-tsaina ahafahana manatontosa ny iraka sahanina dia ny "fiarovana ny vahoaka sy ny fananany" sy ny "fitandroana ny fitoniam-bahoaka". Miezaka manatsara endrika, araka izany, ny zandary taorian’ireny raharaha horonam-peo mahavoakasika ny lehiben’izy ireo dia ny SEG sy ny filoham-pirenena ireny. Toa mampahatsiahy ny zava-nisy efa nitranga teo anivon’ny polisim-pirenena tamin’ny fotoan’androny ihany koa!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

02-juin-2025

Teo anatrehan’ny fiakaran’ny vidin’ny entona fandrehitra (gaz butane),

Card image cap
02-juin-2025

DELESTAZY ANY AMIN'NY RN1 Ahiana hitroatra ny vahoaka, ora 8 isan'andro raha kely

Card image cap
02-juin-2025

Miha sahirana indray ny SMA (Société Municipale d’Assainissement) amin’ny

Card image cap
02-juin-2025

Aina miisa telobe izao no indray nafoy tany amin'ny Fokontany Mahambolona,

Card image cap
02-juin-2025

Manahy ny ho tapaka rano koa ireo mponina etsy amin'ny Fokontany 67 Ha Avaratra Andrefana,

Card image cap
02-juin-2025

Efa 45 taona ny nijoroana sy nanaovana fanentanana mikasika ny ady

Card image cap