ASSOCIATION JEJOO ny sabotsy 13 septambra 2025 lasa teo tetsy amin’ny CSB II Namontana . Entina hanampiana sy hanohanana ireo vehivavy mba hananany asa sy hampivoarana ny fiainany ity hetsika amin’ny alalan’ny tetik’asa SANDRATRA ity. 3 tamin’izy ireo avy hatrany no niatrika « entretien » tamin’ny orinasa, omaly alatsinainy mba ahafahana miditra miasa.Miezaka hatrany mitondra ny anajara birikiny amin’ny fanampiana ny vehivavy mba hivoatra sy handroso eo amin’ny fiainany ny ASSOCIATION JEJOO, azo atao tsara ny sady mifampizara vaovao no mifampizara fahaizana sy fahalalana mba hanatsarana hatrany ny fiainana.Arahana asa ny fanampiana fa tsy mijanona ho resaka fotsiny. Fiaraha-miasa amin’ny LABIS moa ity tetikasa ity.
Nangonin’i RTT