tany amin’ny Faritra Anosy, niarahana tamin’ny Ministeran’ny rano sy ny fidiovana. Ny ONG Sahy no nanatontosa izany tany an-toerana, novatsian’ny UNICEF vola. Tratra hatrany amin’ny 90% ny tanjona napetraka ka anisan’ireny ny fampiasan’ny mponina rano fisotro madio, ny fialana amin’ny fanaovana maloto an-kalamanjana izay miteraka aretina maro. Anisan’ireny ny aretin-kibo, ny aretina lefankozatra….Ny fihinanana sakafo ara-pahasalamana sy maro loko hahafahana miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo….Tsiahivina fa nampihena betsaka ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny tsy fahampian-tsakafo nahazo ireo ankizy madinika latsaky ny 5 taona tany amin’ny Faritra Anosy ny fisian’ity Tetikasa Fafirano ity.
Pati
Legende : Rano tsy azo antoka tahaka izao no nampiasain’ny mponina tao Anosy fahiny !