airtel

Actualités

20-janv-2025

Toetr’andro

Niantona ny orana, miha miakatra indray ny marimpana

Sample post image

Niantona ny orana, miha miakatra indray ny marimpana, raha ny toetr’andro hita teto

20-janv-2025

afovoan-tany hatramin’ny sabotsy teo no resahina. Nanodidina 29 degre selsiosa indray moa izany, raha ny fampahafantarana avy eo anivon’ny sampana mpamantatra izay toetry ny andro izay. Efa mba velom-bolo ihany, indrindra, ireo tantsaha sy mpamboly taorian’ny fandalovan’ilay rivodoza Dikeledi iny saingy niserana ihany nefa ny hamandoan’ny tany. Tsy nahavita namonto ny tany akory ny rotsak’orana nilatsaka. Na izany na tsy izany dia mbola manantena sy miandrandra izay rotsak’orana manaraka izay hatrany, indrindra, ireo tantsaha mpamokatra, raha ny nambaran’izy ireo hatrany.
Nangonin’i J. Mirija