airtel

Actualités

27-oct-2022

Actualités

Tondra-drano eny Ankadindratombo Mety hisy fanjerana tranon-kisoa sy trano fivoahana

Sample post image

Nahitana tondra-drano sahady teny Ankadindratombo sy ny manodidina samy ao anatin’ny kaominina Alasora Avaradrano ny fiandohan’ny herinandro teo.

27-oct-2022

 Vokatry ny firotsahan’ilay ranon’orana voalohany teto an-drenivohitra iny no nahatonga izany izay nomarihin’ny Ben’ny Randriantsoa Jimmy fa tsy tokony hisy olana mihitsy. Tapitra nanorenan’ireo olona sasany trano kisoa sy trano fivoahana mantsy ny lalan-drano tao anatin’io Fokontany io antony niteraka ilay tondra-drano. Tsy nandry andro tsy nandry alina araka izany ny kaominina nitady vahaolana mifandraika amin’izany toy ny fisokirana ireo tatatra tsentsina… Tsy hijanona hatreo ny hetsika raha araka ny fanazavan’ity Ben’ny tanàna ity hatrany. Mety hisy mihitsy mantsy ny fidinana ifotony hataon’ny kaominina handrava ireo trano kisoa sy trano fivoahana manentsika ireo tatatra eny amin’iny faritra iny ato ho ato. Nomarihin’ity Ben’ny tanàna ity moa fa saika lasibatr’ity tondra-drano ity avokoa ireo Fokontany amin’ny faritra manamorona an’ny By pass ka anisan’ireny ny Fokontany Ankadindratombo, Est Mahazoarivo, Ankazobe, Mandikanamana.
Pati
Legende : Randriantsoa Jimmy, Ben’ny tanànan’ny kaominina Alasora
 

Dans la même rubrique

19-mai-2025

An-taona maro no efa nilazàna fa zary fasana tetikasa sisa ity Madagasikara ity.

Card image cap
19-mai-2025

Nifamahofaho ny vaovao Toliara ny faran’ny herinandro tao Toliara, teo anatrehan’ny fanasan’ny Fanjakana

Card image cap
19-mai-2025

Mandeha ny resaka amin’ny hampidirana ireo manana trosa amin’ny Jirama mba

Card image cap
19-mai-2025

Manoloana ny zava-mitranga tatoato, resaka zaza very, maty sy ny tariny izay

Card image cap
19-mai-2025

Manoloana ny zava-mitranga tatoato, resaka zaza very, maty sy ny tariny

Card image cap
16-mai-2025

Nanao ny tatitra ampahibemaso momba ny asany tao anatin’ny taona 2024 ny

Card image cap