airtel

Actualités

21-mars-2023

Actualités

Tovovavy miditra any amin’ny cyber Mitady vady vazaha ny 60%

Sample post image

Mitady vady vazaha amin’ny tambajotran-tserasera facebook ny 60%-n’ireo tovovavy kely miditra any amin’ireny karazana cybercafé eto amintsika ireny amin’izao fotoana izao.

21-mars-2023

Raha araka ny resaka nifanaovana tamina tompona cyber iray dia misy amin’izy ireny mihitsy no mahalany vola hatrany amin’ny 5.000 Ar isan’andro mba hampiresahana zavaha iray izay tsy misy fanadihadiana intsony na efa vadin’olona na mbola mpitovo. Vola vola no masaka ao an-tsaina fa tsy misy ezaka ny hitady sy hilofo amin’ny fiainana sy ny fianarana intsony. Tsy vitsy koa ireo Ray aman-dReniny mankasitraka izany raha tokony hanitsy sy hanoro amin’ny lalana tsara. Raha araka ny resaka nifanaovana tamina tovovavy kely iray izay tsy nety nalaina sary dia noho ny fahasahiranana no manosika azy hanao izany. Ny manambady vazaha izao no vola haingana hoy izy no sady misy avenir kokoa. Anisan’ny tombontsoa tena katsahiny araka izany ny handeha ho any am-pitandranomasina rehefa milamina ny fianakaviany eto ary ho lasa tera-tany Frantsay. Mampiresaka na miresaka amin’ny vadin’olona mpanam-bola kosa ny 20% eo ho eo raha kely noho Ravola hatrany. 10% monja sisa raha misy hoy hatrany ity tompona cyber iray ity ireo tovovavy kely mpianatra manao fikarohana na mitady lesona anaty internet fa ny ankoatra izay dia tsy misy azo antoka mihitsy. Tsiahivina moa 30 Ar isa-minitra ny miditra any amin’ny cyber amin’izao miankina amin’ny connexion izany hoe : 1.800 Ar isan’ora. Efa mahazo vary iray kapoaka sy tapany eo ho eo saingy tsy manahirana ireo tovovavy mitady vady izany.
Pati
 

Dans la même rubrique

19-mai-2025

An-taona maro no efa nilazàna fa zary fasana tetikasa sisa ity Madagasikara ity.

Card image cap
19-mai-2025

Nifamahofaho ny vaovao Toliara ny faran’ny herinandro tao Toliara, teo anatrehan’ny fanasan’ny Fanjakana

Card image cap
19-mai-2025

Mandeha ny resaka amin’ny hampidirana ireo manana trosa amin’ny Jirama mba

Card image cap
19-mai-2025

Manoloana ny zava-mitranga tatoato, resaka zaza very, maty sy ny tariny izay

Card image cap
19-mai-2025

Manoloana ny zava-mitranga tatoato, resaka zaza very, maty sy ny tariny

Card image cap
16-mai-2025

Nanao ny tatitra ampahibemaso momba ny asany tao anatin’ny taona 2024 ny

Card image cap