Miodina anaty fampiasàna teny sy voambolana hoe fanovàna sy fanavaozana isika manoloana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny mpanao gazety sy mpamakafaka fiainam-pirenena, Tsivery Mao Tse-Toung. Mbola manalasala hatreto ny hiteny, hoy izy. Efa mizotra any amin’ny fanovàna tokoa ve isika? Tsy misy ny fahagagàna fa ny dingan’ny fanovàna kosa dia mandalo fanadiovana ny tontolo maloto nisy teo aloha hadio. Averiko ihany hoe lasa lalaovina izao ny voambolana. Tetezamita sa fisoloana toerana? Maninona no tsy tany am-boalohany izany dia efa notenenina? Raha misy ny fanovàna tokony atao eto Madagasikara dia tsiahivina hoe kilalao maloto no nisy teto hatramin’izay ka hatramin’izao, noho izany, tokony hisy ny fanadiovana. Raha tsy hiova akory ny mpitondra ankehitriny fa mbola ireo hita teo aloha ihany, inona moa no fanavaozana sy fanovàna azo andrandraina anatin’izany? Misy ny tafapetraka tsy te hiala sahady. Misy ny tsy tafiditra manao ankisisika. Miandry ny fikaonandoham-pirenena isika. Sao misy mahita tombontsoa ny amin’ny hitarazoan’izany? Sao dia misy mahita tombontsoa ny amin’ny hanafainganana azy ihany koa? Raha ho apetraka ho zava-dehibe io dia isan’andro no tokony hanomanana azy fa tsy hoe mahita minitra kely isan-kerinandro dia miakatra haino aman-jery ilay minisi-panjakàna tomponandraikitra mitantara fa aiza ilay tena hoe fakan-kevitra ifotony any ambany ravinkazo lavitra any? Tonga izao ny datin’ny 7 febroary dia mbola tsy voavaly hoe iza marina no tena tao ambadika tao? Toa lasa mifanatona sy mifampiaro ny mpifanandrina noho ny fikatsahana ny tombontsoa ho an’ny tsirairay sy ny antoko misy azy avy fotsiny? Mbola ho matimaty sy naradratra foana toy ny tamin’ny 7 febroary koa ve ireo maty sy naratra tamin’ny tolona farany teo? Rehareha ho an’ny mpanao politika sasany ve izany ny hoe nilalao ny rà nalatsaky ny malagasy mitovy aminy? Aiza ihany ilay hoe maka lesona? Tokony mba ho etikan’ny mpanao politika sy mpitondra izao izany mitandrina vava tsy ambina izany! Ity ny teninao omaly dia ity tampoka ny androany ka mbola mahatsiaro ny tenanao ho marina ve ianao noho ity teninao ity? Mila mandini-tena ny mpanao politika ary mila fanavaozana voalohany ny fanaovana politika eto Madagasikara. An-jatony ny antoko politika eto ary izay no anton’ilay hoe mba tokony ho avondrona ho antoko iray izay mitovy fomba fijery dia mba miisa 7 fara faha betsany ny antoko politika eto. Antoko politika mpiady an-kanina no betsaka eto fa tsy ho an’ny fanavotàm-pirenena. Ny resaka nosy manodidina izao dia misy fotoana ivoizana azy vao mba voaresaka indray nefa hatramin’izao mbola tsy mivaha ny olana. Adino indrindra izao ny vahoaka maro an’isa dia ny tantsaha. Maty sy mamono tena ny tantsaha malagasy ankehitriny satria iharan’ny tsy zakany intsony. Ianjadiana fahoriana tanteraka ireo saingy asa moa ny azy dia tsy maintsy atao. Ahoana ireo vary vahiny hita mitobaka be eny an-tsena ireo nefa? Raha hanova marina isika dia maninona no mbola avela hamono ny tantsaha ireny? Tombontsoa ho an’iza? Aoka tsy hanaovana tsinontsinona ny vahoaka maro an’isa ny fikaonandoham-pirenena handeha io, hoy hatrany ny tenany!
J. Mirija
Miantso vonjy amin’ny fitondràna ireo mponina sy mpiaro zon’olombelona