airtel

Actualités

11-oct-2024

Vahaolana manara-penitry ny Filoha

Hampiasa kamio « citernes », hofenoina « bonbonnes » ny tanàna

Sample post image

Mihasarotra ny olan’ny jiro sy rano eto Antananarivo, tsy manana vahaolana maharitra sy mahomby

11-oct-2024

ny mpitondra, kivonjivonjy tavananandro sy vahaolana miteraka olana miampy serasera sisa fomba fiasa. « Tsy hiandry ela fa rahampitso dia rahampitso ihany aho dia hitondra vahaolana », hoy i Andry Rajoelina ny alarobia teo. Samy niandry ny rehetra hoe : inona ilay vahaolana, ka dia fampiakarana ireo « camions citernes » avy tany amin’ny faritra, fanomezana avy amin’ny vahiny no nakarina eto Antananarivo, nambara fa hanatevin-daharana ny famatsian-drano ho vahaolana vonjy maika erak’ireo tobim-pamokaran-drano. Mbola nolazaina fa fanamby napetrany ny hitondra vahaolana, saingy mbola vonjy tavanandro aloha. Natsangana moa ny CCO (Centre Opérationnel de Commandement) mikasika ny fandrindrana ny resaka famatsian-drano. Toa tafiditra ao anatin’ny hamehana noho ny tsy firaharahiana firy hatramin’izay. Tsy tena niomana hitondra sy hitantanana, fa miaina sy miorina amin’ny politikan’ny kivonjivonjy tavanandro. Rano avy aiza izany ireto hotsinjaraina eto Antananarivo ireto satria ny Fanjakana milaza fa tsy ampy 100 000m3 isan’andro ny filàna rano eto ? Ny avy eny Mandroseza ihany no taterina fa tsy hampandalovina fantsona ? Nasiana milina manokana eny amin’ireo « stations de pompages » mba tsy ho tapaka ny famatsiana rano raha misy fahapatahan-jiro. Mandra-pahoviana ny fampiasana kamio ary mahaleo ny sarany ve ny vidiny amin’ny resaka fandaniana ara-tsolika ? Ny resaka herinaratra aza moa tonga any amin’ny hoe : homena ny anjara delestaziny ihany koa ireo tsy nahazo hatrizay !
FIHEMORANA FA TSY FANDROSOANA
Mby aiza ilay tetikasa fanadiovana sy fanoloana ireo fantsona eto Antananarivo natomboka tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina izay 90km, nihena 78km taty aoriana, ary voalaza fa orinasa Afrikanina tatsimo no manao ny asa ? Misy ireo tetikasa samihafa iarahana amin’ny mpiara-miombon’antoka, saingy tsy mety tanteraka noho ny tsy fahombiazam-pitantanana. Misy ny tetikasa PAAEP (Projet d’Amélioration de l’Accès à l’Eau Potable) vatian’ny Banky Iraisam-pirenena hatrany amin’ny 220 tapitrisa dolara, mikendry ny fanatsarana ny fisitrahana rano fisotro madio eto Antananarivo sy ny manodidina fa nahoana no mihisatra ? Tsy atokisana ny Fanjakana ? Ny tetikasa Tana Water III dia efa tamin’ny 2021, saingy milaza ny Fanjakana fa noho ny kiantranoantrano tamin’ny resaka tsenambaro-panjakana dia tsy afaka notanterahana. Avy amin’ny mpanohitra angaha ny manam-pahefana manome ny tsenambaro-panjakana ary raha nisy olana tamin’izany dia tsy nisy vahaolana ve navela amin’izao ka efa mivadika krizy ara-tsosialy ny olan’ny rano vao lasa tetikasam-panjakana ny mampiasa kamio sy « bonbonnes » manerana an’Antananarivo ? Mihemotra any amin’ny Repoblika faharoa…
Toky R
 

Dans la même rubrique

02-juin-2025

Teo anatrehan’ny fiakaran’ny vidin’ny entona fandrehitra (gaz butane),

Card image cap
02-juin-2025

DELESTAZY ANY AMIN'NY RN1 Ahiana hitroatra ny vahoaka, ora 8 isan'andro raha kely

Card image cap
02-juin-2025

Miha sahirana indray ny SMA (Société Municipale d’Assainissement) amin’ny

Card image cap
02-juin-2025

Aina miisa telobe izao no indray nafoy tany amin'ny Fokontany Mahambolona,

Card image cap
02-juin-2025

Manahy ny ho tapaka rano koa ireo mponina etsy amin'ny Fokontany 67 Ha Avaratra Andrefana,

Card image cap
02-juin-2025

Efa 45 taona ny nijoroana sy nanaovana fanentanana mikasika ny ady

Card image cap