milamina ara-taratasy any Etazonia taorian’ny fiverenan’i Donald Trump eo amin’ny Fitondrana. Henjana ary tsy an-kitsitsy, ary manamafy fa ho an’ny Amerikanina i Amerika fa tsy ho an’ireo mpialokaloka. Manana ny Firenena fiaviany avy ireny amin’ny ankampobeny, fa mety hisy ihany koa ireo tsy manan-tsata. Tsy te hahalala an’izany ny Bekintana fa ny azy aloha, ary tena sarotiny izy, tsy te hahalala izay zon’olombelona sy fiarovana ny tsy manan-tsata any. Maneran-tany, manodidina ny 10 tapitrisa ireo olona tafiditra ao anatin’ny antsoina hoe : tsy « manan-tsata » na « apatride » ka manodinana ny 600 ny eto Madagasikara, izay ahitana vondron’olona manana fihaviana avy any Kaomorianina, Indianina, sinoa, metisy,... saingy lasa sady tsy an’ny atsy no tsy an’ny aroa. Ny antontan’isan’ny FDA (Focus Development Association) ny taona 626 ny taona 2018 dia namaritra fa 626 eo ireo « apatride » izany hoe : tsy manana Firenena sy sata mazava maha olom-pirenena eto azy, ary tsy manana zom-pirenena Malagasy, kanefa tsy mizaka zom-pirenena hafa ihany koa. Tsy afaka misitraka zo samihafa, tsy mahazo pasipaoro,… Misy ireo « karana » tafiditra ao fa misy ihany koa ireo efa lasa tompon-tany noho ny Malagasy aza, mifehy ny toekarena eto izay efa manana sy mizaka zom-pirenena Malagasy na Frantsay. Efa nisy kosa ny volavolan-dalàna mikasika ny fanovana ny lalàna mikasika ny zom-pirenena na « code de nationalité » teto amintsika ny taona 2019, tamin’ny saika hanalalahana ny fahafahana misitraka sy mahazo izany ka nampidirina ho lalan-tsaina ny hoe : famahana ny olana mikasika ny « apatride », tolo-dalàna nentin’ny loholona teo aloha Abdirassoul Mohamed ny taona 2019, izay nokasaina hotanteraka hatramin’ny 2024 na izao 2025. Nampiady hevitra ny hoe : homena fahalalana gaboraraka eto amintsika ve izany ireo vahiny efa manjakazaka ara-toekerana eto sy lasa tompony alohan’ny Malagasy ka hanao ahoana raha hitarina amin’ny resaka fahalalahana amin’ny fakana fahefana ara-politika ohatra ? Manao ahoana anefa no manjo ireo teratanintsika sasany any ivelany dia manao ahoana ny fanjazakan’ny vahiny eto ? Tena saro-piaro ve isika sa efa lasa tompony mangataka atiny ? Ny any ivelany, henjana ny fifehezana ny vahiny ary izay mibolila voaroaka, fa ny eto amintsika efa misy mifamadika, ka ny vahiny indray no mandroaka ny Malagasy amin’ny taniny. Làlan-tsaina nentina sy novoizina tamin’izany ny andininy faha-15 amin’ny fanambarana iraisam-pirenena momba ny zon’olombelona na DUDH tamin’ny 1948 izay maneho fa « ny olona tsirairay dia manan-jo hanana zom-pirenena. Tsy misy na iray aza azo sakanana tsy hahazo ny zom-pirenena, na koa ny zo hiova zom-pirenena hafa ». Asa mba manao ahoana ny fihetsiky ny Firenena Mikambana eo anatrehan’ny zava-miseho any Etazonia ?
Toky R
Sar indrana : © UNHCR/Roger Arnold
Nanokatra ny fampiratiana ara-pizahatany ITM (Iternational Tourism Fair) andiany faha-11 ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina omaly.
Anisan’ny navoitran’ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly teny amin’ny Antenimierampirenena ny hoe :
Renim-pianakaviana iray monina eny Fenoarivo Atsimondrano eny no fantatra
Na ny ao amin’ny JIRAMA aza izao izany dia milaza fa hatramin’ny faran’ny taona
Manamafy avo roa heny ny fahamailoana ny SAMIFIN izay sampan-draharaha misahana
Lany teny anivon'ny Antenimieram-pirenena ny tolo-dalàna miaro manokana ireo varira