an'ny fitsarana miaramila ho an'ny taona 2025 eto Antananarivo. Ao amin'ny Kianjan'ny Malacam Antanimena no hanatanterahana izany, manomboka amin'ny 8 ora maraina ka hatramin'ny 4 ora hariva. Ireo tanora lahy sy vavy 19 ka hatramin'ny 31 taona izay tsy mbola nitsara miaramila no andrasana ho tonga eny an-toerana, raha araka ny fanazavan'ny tompon'andraikitra. Miaraka amin'ny kara-panondrom-pirenena sy ny penina manga izy ireo ary maimaim-poana avokoa ny zavatra hatao rehetra. Mikasika ireo toerana ivelan'Antananarivo moa dia fantatra fa hisy ny fampitan'ny tompon'andraikitra eny ifotony ny fotoana sy ny toerana hanatanterahana izany fitsarana miaramila izany. Marihina fa efa saika takiana amin'ireo karazana antontan-taratasy maro samihafa ilaina amin'ny asa..ny karatra manamarina ny nahavitan'ny tanora iray fitsarana miaramila ankehitriny eto amintsika.
Pati
Légende : Mariky ny maha-olom-pirenena ny olom-pirenena iray ny fahavitany ny fitsarana miaramila !
Tsy tena tsapa ilay fanovàna ! Apetrao ny satan'ny tetezamita fanavaozana !"