airtel

Actualités

29-avril-2026

Firaisamonim-pirenena

sy Fikambanan'ny tanora

Sample post image

Tsy tena tsapa ilay fanovàna ! Apetrao ny satan'ny tetezamita fanavaozana !"

29-avril-2026

Fikambanana maro avy amin’ny fiarahamonim-pirenena sy vondrona tanora no nanao fanambarana iombonana, naneho fa tao anatin'ny enim bolana taorian’ny fanovana fahefana dia mbola tsy tena hita ny fiovana azo tsapain tanana eo amin’ny fitantanana. Notsikerain’izy ireo ny tsy fahampian’ny mangarahara, ny fanapahan kevitra samirery, ary ny fitohizan’ny fomba fanao heverina ho tsy mahomby. Naneho ahiahy ihany koa ireo fikambanana momba ny fitantanana ny vola bahoaka sy ny ady amin’ny kolikoly. Nilaza izy ireo fa mihena ny fahalalahana maneho hevitra, ary misy tranga fandrahonana sy fisamborana atao amin’ireo feo mitsikera. Noho izany, mitaky firosoana amin’ny "Pré-concertation" mba ahafahana mametraka satan’ny tetezamita ho an’ny fanavaozana araka izany ny firaisamonim-pirenena sy ireo vondron’ny mpitolona tamin’ny fanambarana nataony androany. Rehefa tafapetraka ny satan’ny tetezamita fanavaozana dia miato ny lalàmpanorenanan’ny repoblika fahefatra miaraka amin'ny HCC , CENI , Antenimierampirenena,... izay sakana tsy mampahomby ny fitondrana ankehitriny. Mitaky ihany koa ny fanomezan-danja ny tanora handray andraikitra eto amin’ny firenena ny vondron’ny mpitolona sy ny firaisamonim-pirenena mba handray andraikitra amin'ny fanavaozana ka 30% no anjaran'ny tanora amin'ireo rafitra vaovao hanapa-kevitra mandritry ny tetezamita. Midika fa tsy mahomby ve izany ny fifampidinihana teo amin'ny Fitondram-panjakana tamin'ny alalan'ny Praiminisitra sy ny tanora andro vitsivitsy lasa izay? Mbola miverina ny fitakiana ny handravana ireo rafi-panjakana izay efa nambaran'ny mpitondra fa antony maha ara-dalàna sy nanasina izao Fitondrana izao ka tsy ho lasa toy ny resaka ny moana sy ny marenina? Tena azo antoka ve fa handeha ny Firenena na ny lamina avy ato anatiny na ny fifandraisana Iraisam-pirenena raha hotanterahana ireo fitakiana ? Sao sanatria lasa fitadiavan-tseza fotsiny ? Tena mbola mahomby sy ahafahana mivoaka amin'ny krizy ihany koa ve anefa ny endri-pitantanana sy rafitra misy ankehitriny ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-juin-2026

no tsy manao ezaka mianatra»

Card image cap
19-juin-2026

Haverina ny lanjan’ny fampianarana teknika », hoy ny Minisitra Todisoa

Card image cap
19-juin-2026

lehibe ny tananan'i Talatamaty

Card image cap
19-juin-2026

nalentiny tao anaty rano ny zanany

Card image cap
18-juin-2026

manoloana ny raharaha Iran sy Etazonia

Card image cap
18-juin-2026

Lehilahy iray mpanao saribao naiditra am-ponja vonjimaika

Card image cap