airtel

Actualités

06-août-2026

Olan'ny angovo

, fikambanana miafina Sahy nijoro ny PRRM

Sample post image

Lafin-javatra iray heverina fa manahirana na

06-août-2026

nanahirana ny mpitondra hatramin’izay ny fahasahiana mijoro sy mamotsipotsitra toe-javatra iray heverina fa mahakasika tombotsoana vondron’olona na vondron’orinasa matanjaka mifehy ny sehatra stratejika eto Madagasikarana, toy ny karana. Izay manao an’izany dia toa voakitikitika na tratry ny fanozongozonana mivantana na ankolaka. Misy ny tsy sahy mikofoka mihitsy noho ny mety fifanarahana politika mialohan’ny nahatongavana teo amin’ny toerana sy fahefana, tahaka ny hoe : tany amin’ireo vondrona matanjaka izay matetika vahiny no naka vola hanaovana propagandy, izay mazava ho azy fa tombotsoa na harem-pirenena, na fahefana goavana ara-toekarena no tambiny. Mety lasa hanana endrika fivarotan-tanindrazana aza. Vokany, lasa tsy manana fahefana feno, voageja,… ny mpitondra Fanjakana iray. Tsy resaka fandokafana na fanasohasoana, fa mba manomboka hita aloha ny finiavana entin’ny Fanjakana fanavaozana, toy ny fahasahian’ny Fanjakana mamotsipotsitra ny raharaha famatsiana herinaratra izay nahasahian’ny PRRM Kolonely Randrianirina Michael namaky bantsilana ny heveriny fa tsy mety ataon’ny orinasa vahiny misehatra sy isan’ny mifehy io sehatra stratejika io. Na ny tenany aza moa nilaza hoe te ho hamono tena ve izany aho sa te hikorontana ny Fireneko ? Nahoana ny hafa no tsy sahy nanitsy sy niresaka an’io ? Efa dingana lehibe ireny, tsy midika ho famakiana ady na fankahalana vahiny satria tsy afaka hiolonolona eto isika ary manana anjara toerana lehibe ara-toekarena ireo orinasa vahiny, fa kosa dingana hahatongavana amin’ny fametrahana fitsipi-dalao mazava eo amin’ny lafiny toekarena sy fandraharahana mba ho tonga amin’ilay tsy misy tombo sy hala. Mety sarotra ary mety hisy akony lehibe na tsindry goavana ara-toekarena, jeopolitika, politika,… saingy mila fahasahiana sy dingana. Lafin-javatra iray nisongadina sy heverina fa mety saropady sy manahirana ihany koa ny miresaka azy hatramin’izay ny resaka «franc-maçonnerie », saingy iny novakian’ny Fitsarana bantsilana iny ny fahasahiana nisava ny Loge Étoile Australe teny Ivandry izay sokajiana ho toeram-pivoriana ivorian'ireny fikambanana miafina ireny), ka nahitàna vata-paty misy taolam-paty, nahitàna sabatra sy vata-paty hafa maro sy taratasy isan-karazany, toeram-panaovana fombafomba samihafa,... Tafiditra tao anatin’ny fanadihadiana mikasika halatra olona, sorona, famosaviana,… Mety manahirana ny miresaka an’ireny noho ny hery ara-toekarena, tanjaka ara-bola, mety ho valifaty,… fa misy ny fahasahiana matoa tonga amin’ny toy izao. Fifandrifian-javatra sa sanatria misy misy ifandraisany amin’ireny ny fiezahana hanakorontana Firenena? Ahoana no hametrahana fiarahamonina tsy misy rahoraho ?
Toky R


 

Dans la même rubrique

05-août-2026

taksiborosy miazo an'i Mahajanga

Card image cap