any vao azo tanterahina
Tontolo iray mamelona fianakaviana maherin'ny 100.000 isan-taona ny sehatry litchis eto Madagasikara . Iray amin'ireo Firenena mpanondrana io vokatra io be indrindra ihany koa isika satria raha ny litchis haondran'i Madagasikara any Eoropa fotsiny ohatra dia maherin'ny 15.000 T taonina isan-taona any ho any. Ny 35% n'ny vokatra litchis eo amin'ny tsena iraisam-pirenena noho izany dia avy eto amintsika avokoa. Fa somary ho tara ny fisokafan'ny taom-piotazana na ny "CAMPAGNE LITCHI" amin'ity taona 2026 ity araka ny nambaran'ireo mpandraharaha misehatra amin'izany ao Toamasina . Any ho any amin'ny faha-20 na 21 Novambra izany raha ny vinavina hoy izy ireo vao azo tanterahina. Raha ny fitsirihana natao tany amin'ireo Faritra tena mpamokatra toa an'i Brickaville sy Analanjirofo iny mantsy dia tsy mbola amin'ny fenitra fahamasahany ; mbola maitso ny ankamaroan'ireo litchis ka tsy mbola afaka hotazana. Na izany aza anefa, betsaka ny vokatra raha ho an'ny Faritra Analanjirofo manokana hoy ny Lehiben'ny Faritra any an-toerana Atoa Tody Arnaud. Manantena arak'izany ny vahoakan'Analanjirofo fa ho tsara ny Campagne litchi amin'ity taona 2026 ity ka mba ho tsara toy izany ihany koa ny vidiny hanarenan'ireo mpamboly ny sosialiny. Somary ratsy mantsy ny vokatra hafa toy ny jirofo sy ny lavanila tany amin'iny Faritra iny teo aloha teo. Manana tolo-kevitra vitsivitsy ho fanatsarana izay tontolon'ny varotra sy ny fikirakirana ary fanondranana litchis izay araka izany ny Maître Tody Arnaud Lehiben'ny Faritra Analanjirofo, ho tombontsoa ho an'ny mpisehatra rehetra. Lohalaharana amin’izany ny tokony hidinan’ireo mpandraharaha haka mivantana ny vokatra any an-toerana satria efa tsara ny lalana miainga avy ao Toamasina miazo an’i Fenoarivo Atsinanana. Eo ihany koa ny tokony handraisan’ny orinasa misehatra amin’ny lodisia ireo olona ao Analanjirofo hiasa ao aminy mandritra ny iray volana ho enti-miady amin’ny tsy fananan’asa...Tsiahivina moa fa nihenabe ny vokatra jirofo tao Analanjirofo tamin’ity taona 2026 ity. Nalaina tamin’ny famokarana lavanila koa ny mponina noho ny fitontongan’ny vidiny hany ka ny vokatra lodisia sisa no hany antenain’ny mponina hanarenana ny fiainana ara-tsosialy.
Pati
Legende : Ny Maitre Tody Arnaud, Lehiben’ny Faritra Analanjirofo !
85% ny loharan’angovo azo havaozina hatramin’ny 2030