nitondra sokatra an-tsokosoko indray
Fiara nitondra saribao avy any amin’ny Kaominina Ifotaka, Distrikan’Amboasary Atsimo no nahitan'ny Polisin'ny FIP avy amin'ny Fitaleavam-paritra Anosy, sokatra miisa valo rehefa nosavaina teo amin'ny sakana tao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Manambaro, ny Alatsinainy 09 Novambra 2026. Ramatoa iray no voalaza fa tompon'ny entana. Nentina niaraka tamin’ireo sokatra ireo tany amin’ny Sampan-draharahan’ny Polisy misahana ny Famotorana ao Tolagnaro ilay olona voakasika, ho tohin’ny fanadihadiana. Tafiditra anatin'ny biby arovana ny sokatra noho izy ahiana ho lany tamingana. Tsy misy indray fo ny sazy mihatra amin'ireo izay tratra mihaza sy mitondra na mivarotra an-tsokosoko azy ireny. Maro ihany izay olona efa tratra sy manefa sazy any am-ponja izay saingy misy hatrany ny tranga vaovao toy ity tany Tolagnaro ity, ka mampametra-panontaniana hoe : ny lalàna ve no maivana, sa ny fampiharana azy no goragora sa efa fahazaran-dratsy miafina ao ambadiky ny fahantrana ?
Jean D.
Sokatra nentin'ilay ramatoa an-tsokosoko niaraka tamin'ny saribao saron'ny Polisy
85% ny loharan’angovo azo havaozina hatramin’ny 2030