airtel

Actualités

11-nov-2026

Fiaraha-miasa

Rosia-Madagasikara

Sample post image

Mihamafy sy mivelatra amin’ny

11-nov-2026

fahasalamana, fambolena, fampianarana,…
Mihamafy sy miditra amin’ny dingana vaovao ny fifandraisana eo amin’i Madagasikara sy Rosia, araka ny nambaran’ny Mpiraki-draharaha Rosianina Alexeï Buriak tao amin’ny Maison Russe Ampefiloha omaly 10 novambra 2026. Tsy mifantoka amin’ny fiarovana sy raharaha ara-tafika intsony ny fiaraha-miasa fa velarina amin’ny fambolena, fahasalamana, fanabeazana ambony ary fikarohana ara-tsiansa, taorian’ny Fihaonambe faha-3 « Rosia-Afrika » natao ny 28-29 oktobra 2026 tany Rosia, izay nandraisan’ny delegasiona malagasy notarihin’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika Kolonely Michaël Randrianirina anjara. Vokatr’izany, fifanarahana sy « protocole d’accord » maromaro no nosoniavin’ny firenena roa tonta. Eo amin’ny fahasalamana, nifanaiky hiara-hiasa amin’ny fisorohana sy fifehezana ny areti-mifindra ny Sampandraharaha Federaly Rosianina misahana ny fiarovana ny zon’ny mpanjifa sy ny fahasalaman’ny mponina ary ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka malagasy. Efa nahazo laboratoara mandehandeha miisa 3 avy amin’i Rosia i Madagasikara, ary mbola andrasana ny fanomezana fitaovana ara-pahasalamana hafa sy fanofanana matihanina. Anisan’ny laharam-pahamehana ny fanabeazana. Efa mahatratra 5.000 eo ho eo ireo Malagasy nandalo fiofanana tany amin’ny anjerimanontolo rosiana, ary vatsim-pianarana feno karama 45 no atolotry ny fanjakana rosiana isan-taona iarahana amin’ny CONABEX. Ankoatra izay, miroborobo ihany koa ny fiaraha-miasan’ireo toeram-pampianarana ambony. Ohatra amin’izany ny fifanarahana eo amin’ny oniversite malagasy iray sy ny Oniversiten’i Saint-Pétersbourg, izay mikasa handray mpianatra malagasy manodidina ny 20 hiofana any Rosia. Eo am-pandinihana ihany koa ny fametrahana rafitra ahafahana mankatoa ny diplaoma avoakan’ny firenena roa tonta. Hanokana famatsiam-bola mitentina 10 tapitrisa dolara amerikana ny vondrona rosiana Eurasia, hiompana amin’ny tetikasa sosialy, maha-olona, fanabeazana ary kolontsaina eto Madagasikara, fa mikendry ihany koa ny fampiroboroboana ny teny ary ny kolontsaina rosiana. Eo amin’ny sehatra ara-toekarena, mikendry ny hampiakatra ny fifanakalozana ara-barotra amin’i Afrika manontolo avy amin’ny 27 miliara dolara ho 50 miliara dolara alohan’ny taona 2030 i Rosia. Mikendry hampivelatra tetikasa mifototra amin’ny famindrana teknolojia sy ny fanodinana vokatra eto an-toerana, fa tsy hijanona amin’ny fanondranana akora fototra fotsiny. Tanjona amin’izany ny famoronana asa sy ny fampitomboana ny sanda ara-toekarena eto Madagasikara. Mifanojo amin’ny fanomanana ny fankalazana ny faha-55 taona nisian’ny fifandraisana ara-diplomatika eo amin’i Madagasikara sy Rosia amin’ny volana septambra 2027 ihany koa izao fanamafisana ny fiaraha-miasa izao. Samy maneho fahavononana hanokatra pejy vaovao amin’ny fiaraha-miombon’antoka samy mahazo tombony na «win win » ny firenena roa tonta, ka hampifantoka izany amin’ny fampandrosoana sy ny tombontsoa iarahan’ny rehetra mahazo. Ara-diplaomasia, ny fankatoavan’ny Fanjakana Malagasy sisa andrasana amin’ny fanendrena ambasadaoro Rosianina eto Madagasikara.
Toky R


 

Dans la même rubrique

12-nov-2026

Nolanian’ny solombavambahoaka

Card image cap
12-nov-2026

85% ny loharan’angovo azo havaozina hatramin’ny 2030

Card image cap
12-nov-2026

Tara, amin’ny 20 na 21 novambra

Card image cap
12-nov-2026

Nisy ramatoa tratra

Card image cap
12-nov-2026

Hanao fampisehoana

Card image cap
11-nov-2026

Nesorina ny DG Lemana Elisée,

Card image cap