maimaimpoana ao Toulouse i Poopy
Hanatanteraka fampisehoana maimaimpoana ao Toulouse La Frantsa i Poopy izay karakarain’ny Madazon Logistics, miaraka amin’ny Association DERA France. Tafiditra ao anatin’ny hetsika ny fanangonam-bola hanohanana ny fananganana ny « Trano La Redoute – Maison Refuge & Polyvalente », ho an’ireo zaza kamboty eo ambany fiahian’ny fikambanana ao Andovosira, Mananjary ity fampisehoana ity. « Soirée solidaire » no lohahevitry ny hetsika, izay hanasongadinana ihany koa ny fivarotana sakafo malagasy. Ny datin’ny 28 Novambra ho avy izao no hanatanterahana izany. Hatokana hanohanana ny fanatanterahana ny tetikasa fananganana io trano fialofana sy ivon-toerana iombonana io ny tombony azo avy amin’izany. Tanjona ny hanomezana tontolo azo antoka sy toerana sahaza ho an’ireo ankizy kamboty. Tsiahivina moa fa efa 10 taona amin’ity taona ity ny fiaraha-mientana sy ny fanampiana ataon’izy ireo ho an’ireo ankizy ao Mananjary, izay tarihin-dRamatoa Anita Ratsimba Durand, mpanorina ny Association DERA France. Ankoatra ny asa sosialy dia misahana ny fikarakarana ny fifaninanana Miss Diaspora Malagasy ihany koa ity fikambanana iray ity. Tanjona ny hamporisihana ny tanora handray anjara amin’ny fanampiana ny mpiray tanindrazana. Aza hatao tsara izany na dia amin’ny alalan’ny mozika lavitry ny tanindrazana aza.
Pati
Legende : Manampy ireo ankizy sahirana hatrany i Poopy raha mbola azony hatao ihany koa !
85% ny loharan’angovo azo havaozina hatramin’ny 2030