Any Antalya, Torkia, ny delegasionina malagasy tarihin’ny Filohan’ny Fanavaozana, ny Kolonely RANDRIANIRINA Michaël, mandray anjara amin’ny Fivoriambe faha-31 momba ny Fiovan’ny Toetr’andro (COP31). Miaraka aminy amin’izany ny Mpanolotsaina Avon’ny Fanavaozana, ny Lietnà Kôlônely ANDRIAMIHARITSOA Gervais. Fihaonana iraisam-pirenena lehibe iarahan’ireo firenena maneran-tany mikatsaka vahaolana iombonana hiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro ny COP31. Amin’ity taona ity, ny lohahevitra ny hoe: "Dinika - Marimaritra iraisana - Hetsika", izay manasongadina ny maha-zava-dehibe ny fifanakalozan-kevitra, ny fifanarahana ary ny fampiharana vahaolana mivaingana. Anisan’ny laharam-pahamehana ny fitantanana maharitra ireo harena voajanahary, ny fanamafisana ny fahafahan’ny mponina miatrika loza voajanahary, ary ny fampandrosoana mifanaraka amin’ny fiarovana ny tontolo voajanahary. anjona lehibe ny hitazomana ny fiakaran’ny maripana maneran-tany ho ambanin’ny 1,5°C araka ny tanjona iraisam-pirenena. Nambaran’ny Sekretera Jeneralin’ny Firenena Mikambana, António Guterres, tamin’ny lahateniny fanokafana fa ilaina ny fandraisana andraikitra hentitra sy haingana. Nohamafisiny fa efa tonga ny fotoana hialàna tsikelikely amin’ny fiankinana amin’ny angovo avy amin’ny solika fôsily ka hitodihana amin’ny vahaolana maitso sy maharitra kokoa hiatrehana ny krizy ara-toetr’andro. Ho an’i Madagasikara, sehatra iray ahafahana mampita amin’ny fiarahamonina iraisam-pirenena ny zava-bita sy ny fanamby atrehina eo amin’ny lafiny fiarovana ny tontolo iainana ity COP31 ity. I Madagasikara izay marihina fa voasokajy ho isan'ny Firenena marefo tena marefo amin'ny fiovaovan'ny toetr'andro. Omaly ihany dia efa nitondra ny feon’i Madagasikara ny PRRM Randrianirina Michael. Niarahaba an’i Torkia sy Aostralia amin’ny anjara toerana lehibe sahaniny ao anatin’izao COP 31 izao ny PRRM. Nampita fa anisan’ny lasibatry ny fiovaovan’ny toetr’andro i Madagasikara, ka nanehoany fa ny 10 febroary 2026, dia nandravara namotika ny ¾ ny tananan’i Toamasina ny rivodoza Gezani izay nitondra tafiotra 250km/h, vahoaka 600 000 no voakasika. Nahatratra 2,7 miliara dolara ny fahapotehana nanentin’ny rivodoza ho an’i Madagasikara ny taona 2026. Anisan’ny Firenena miavaka eran-tany amin’ny « carbone » anefa i Madagasikara, izay vakoka tsy manam-paharoa ho an’ny mahaolona, manan-karena voajanahary tsy manam-paharoa, ala voajanahary, mangroves, harena an-dranomasina sy recifs coraliens,… izay manan-danja sy mitana anjara toerana goavana amin’ny tontolo iainana eran-tany. Nomarihiny fa anisan’ireo firenena marefo, mitana ny laharana faha-7 eran-tany amin’ny ambarana ara-toetr’andro anefa i Madagasikara. Mametraka fanamby lehibe amin’ny fiatrehana ny ambana momba ny fiovaovan’ny toetr’andro araka izany i Madagasikara, ny CTN 3.0 (Contribution Déterminée au niveau National) dia ny hampihena 34% ny famoahana entona mangeja manomboka izao hatramin’ny 2035. Eo ihany koa ny fanamby hametraka ho 85% an’ny angovo azo havaozina manomboka izao hatramin’ny 2030. Mitentina 13,86 miliara dolara eo ny teti-bidin’izay. Amin’ny fiatrehana ny faharetana eo anatrehan’ny tsindry mahazo ny tontolon’ny ranomasina sy ny harena ao anatiny, dia mametraka ny politika manga sy mahomby. Tsy afaka hahazo vokatra anefa raha tsy misy ny hoenti-manana, ka ho an’i Madagasikara dia fanohanana mafonja sy ampy mifandraika amin’izay no angatahany fiaraha-miasa.
Toky R