airtel

Actualités

12-nov-2026

Fifanarahana "Apostille"

Nolanian’ny solombavambahoaka

Sample post image

Nolanian’ny solombavambahoaka

12-nov-2026

omaly alarobia 11 novambra 2026 ny volavolan-dalàna laharana faha-008/2026, tamin’ny 28 aprily 2026, manome alalana ny fidiran’i Madagasikara ho mpikambana ao amin’ny fifanarahana manafoana ny fepetra takiana amin'ny fanamarinana ara-dalàna ireo antontan-taratasy ofisialy vahiny amin'ny fifanarahana "Apostille", raha ny fampitàm-baovao voaray. Nandritra ny fanazavàna nataon’ny minisitry ny fitsaràna dia nambarany fa anisan’ny antony nidiran’i Madagasikara amin’ity fifanarahana ity ny fangatahan’ireo mpandraharaha mba hanamoràna ny fifandraisana ara-barotra iraisampirenena sy ny fivezivezen’ny antontan-taratasy ofisialy ary hanamafisàna ny fahatokisan’ireo mpampiasa vola. Ny fifanarahana Apostille natao tany La Haye ny 5 oktobra 1961 dia mikendry ny hanolo ny dingana maro amin’ny fanamarinana ara-dalàna ireo antontan-taratasy ofisialy ampiasaina any amin’ny firenena hafa, amin’ny alalan’ny fanamarinana tokana antsoina hoe «Apostille». Izany dia natao hitsitsiana fotoana ary hanamoràna ny raharahan’ny olompirenena, ny mpianatra, ny mpiasa ary ny mpandraharaha, raha ny fampitàm-baovao hatrany.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

12-nov-2026

85% ny loharan’angovo azo havaozina hatramin’ny 2030

Card image cap
12-nov-2026

Tara, amin’ny 20 na 21 novambra

Card image cap
12-nov-2026

Nisy ramatoa tratra

Card image cap
12-nov-2026

Hanao fampisehoana

Card image cap
11-nov-2026

Nesorina ny DG Lemana Elisée,

Card image cap
11-nov-2026

Mihamafy sy mivelatra amin’ny

Card image cap