airtel

Actualités

07-août-2026

Fiaraha-miasa sy

fifanakalozana ara-barotra

Sample post image

Misokatra ny làlana ho an’i Madagasikara sy Afrika Atsimo

07-août-2026

Misokatra ny làlana ho an’ny fampiroboroboana ny fiaraha-miasa ara-toekarena eo amin’i Madagasikara sy Afrika Atsimo, indrindra eo amin’ny lafiny fifanakalozana ara-barotra, izay mifandraika amin’ny politika fanamorana toy ny Zone de LibreÉchange Continentale Africaine) izay heverina fa hanamora izany, ankoatran’ny tsenan’ny AGOA (African Growth and Opportunity Act) iarahana amin’ny Amerikanina. Vokatry ny savalalana nataon’ny Masoivohontsika any Afrika Atsimo Toavina Ralambomahay sy ny fiaraha-mientana amin’ny Minisiteran’ny toekarena sy ny asa tananana, ary indrindra indrindra ny fihaonana ara-pandraharahana na « rencontre B2B » nokarakarain’ny Onet Group International hampifandraisana ny mpandraharaha Malagasy sy Afrikanina Tatsimo, dia tonga eto manatrika ny tsenabe Fier-Mada ireo mpandraharaha avy any Afrika Atsimo tarihin’Atoa Abdulla Mohamed Anif sy Osman Mohamed Shahil, mijery ny fahaiza-manao sy vokatra Malagasy ary sehatra azo iaraha-miasa toy ny fizahantany, fanodinana lamba, harena an-kibon’ny tany,…
MANOKATRA HERIJIKA ARA-BAROTRA SY ARA-TOEKARENA
Nihaona sy nifampizara hevitra tamin’ny mpandraharaha Malagasy toy ny GEFM izy ireo teny amin’ny Radisson Blu, nahafahana naneho santionan’ny vokatra Malagasy toy ny hoditra, lamba, asa tanana, lavanila, café, dipoavatra,… « Zava-dehibe, nanokatra sehatra sy fomba hahafahana mampiroborobo ny seha-pihariana samihafa eto Madagasikara », hoy Rtoa Temple Rakotovao. Tafiditra ao anatin’izany ny famokarana, ny asa tanana, ny fambolena sy fiompiana, ary ny fitadiavana lalam-barotra iraisam-pirenena.
TENA MIAVAKA I MADAGASIKARA SY NY VOKATRA MALAGASY
Naneho ny hafaliany sy fahafaham-pony ireo mpandraharaha Afrikanina Tatsimo izay talanjona tamin’ny fahitana an’i Madagasikara. « Tsy hoe nosy kely hitsangatsanganana fotsiny, fa tena misy zavatra mahaliana sy mahatalanjona goavana, misy sehatra maro azo iaraha-miasa », hoy kosa i Abdulla Mohamed Anif. Mampitolagaga, hoy izy, ny fahaiza-manaon’ny Malagasy toy ny fampiasana ny hoditra, ka anisany ny bibilava izay tena ahavitana zavatra tsara sy raitra, izay tena tsy nampoizina, entana tena mahafa-po. « Tena tsara iarahana miasa, ka manantena ny hahita ireo mpandraharaha Malagasy 50 raha kely any Afrika Atsimo hanamafy ny herijika hahafahana mifampizara herijika ara-pandraharahana sy fifanakalozana ara-toekarena », hoy hatrany io mpandraharaha io naneho fa mahay mandray olona sy maha te ho tia ny Malagasy, ary miavaka i Madagasikara. « Manana ny herijika lehibe i Afrika, ary fotoana izao hanamafisana izany, afaka iarahana miasa ny herijika rehetra. Variana tany Eoropa na Amerika isika hatramin’izao, fa amin’izao dia Afrika mihitsy no mila trandrahanantsika. Mety tsy ho takatry ny saintsika ny herijika miainga any Cape Town ka hatrany amin’ny tendron’i Maroc », hoy hatrany i Abdulla Mohamed Anif.
HERIJIKA LEHIBE HO AN’NY MPANDRAHARAHA MALAGASY
Naneho ny fanantenany ireo mpandraharaha Malagasy. « Nahafinaritra ny fihaonana, hisaorana ny Minisitera sy ny mpikarakara. Ho anay amin’ny maha mpandraharaha, mahavelom-panantenana ny fihaonana sy ny fifanakalozana », hoy Randriamaeva Miora Ny Ando. Aminy dia manokatra varavarana iray mivoha ho an’ny aty Afrika isika izao satria mihatery ny lalana any Eoropa. Tanjon’ny mpikarakara ny fampahafantarana ny asan’ireo vehivavy mpandraharaha any ivelan’i Madagasikara. Efa nahavita dingana iray tamin’ny famoronana asa, fananganana orinasa, fa isan’ny olana foana ny tsena sy ny famoahana ny vokatra any ivelany, hoy Rtoa Onisoa Lalaina avy amin’ny Onet Group International.
Toky R

 

Dans la même rubrique

07-août-2026

Amperin'asa ny Delegasiona

Card image cap
07-août-2026

amin'ny ady amin'ny kolikoly

Card image cap
07-août-2026

Hojerena ny fomba hampandehanana azy

Card image cap
06-août-2026

Lafin-javatra iray heverina fa manahirana na

Card image cap