Michael Randrianirina, ary miantso ny manodidina azy tsy hanome azy loharanom-baovao tsy mitombiny », hoy ny depiote Nicolas Randrianasolo, voafidy tany Betroka. Aminy, mbola misy ireo andian'olona tsy maty voalavo an-kibo ka minia hanakorontana mandritra izao fitondrana fanavaozana. Tranga efa niaraha-nahita ny fikasana fanonganam-panjakana nataon'ny Colonel Patrick sy ireo niara-dia taminy. Efa lasa ambonimbony ny raharaha, fa maimbomaimbo Andry Rajoelina ny manodidina azy, ary raha tena miaramila dia tsy tokony haniratsira ny lehibe eo amboniny, hoy hatrany ity depiote ity. Mikasika ireo Gen Z, ny fitondrana amin’izao vao 5 volana, ary ny Filoha tena misokatra amin’ny fifampiresahana ka tokony mba manantona moramora hoe izao no mba angatahanay, ny 80% amin’ireo mitarika Gen Z mitady toerana dia ireo mbola tsy nahazo no mitady hirika sy mitady volakely amin’ireo maniraka, raha ny filazany hatrany. Aminy, tsy fandehanana eny an-dalambe no izy fa ny fisorohana ny tsy hiverimberenan’izany no atao amin’izao, ary ny Filoha ankehitriny no mampita amin’ny Filoha manaraka amin’ny Repoblika fahadimy, ka tokony havela hifantoka anatin’ny 24 volana. Nambarany fa efa manao ny ezaka ny Filoha sy ny Fanjakana ankehitriny : nametraka herinaratra amin’ny oniversite, namaha ny olan’ny herinaratra izay efa mihena amin’izao, nampiakatra ny karaman’ny mpiasam-panjakana, ny làlana efa manao,… saingy tsy ny fanavaozana no hamaha ny olana 100% fa kosa manokatra làlana. Tsy tokony hipetrapetraka ireo nahazo tombotsoa, ary tokony sahy hiseho sy hijoro. Tokony hanampy ny mpanao politika, tokony tena hanome tolo-kevitra, fa tsy rehefa tsy mahazo seza dia himonomonona sy hamingana satria tsy ho ampy ny rehetra izany ny seza politika. « Miandrasa fifidianana, fa efa ho avy ny fifidianana loholona, fifidianana depiote mety afaka 2 taona, fifidianana filoha,… ka any vao milahatra fa izao aloha dia mila jerena hoe : ahoana no hanampiana, ny Filoha ankehitriny izay nanala tao anatin’ny fangejana, fampahoriana,… », hoy i Nicolas Randrianasolo. Namafisiny ny hoe : faran’izay hain’i Andry Rajoelina ny mampiady olona, ny azy aza nampiadiany, ny Fanjakana Rajaonarimampianina nakorontany, mainka fa isika. Sefom-pokontany aza hesorina marary ny lohany, mainka fa i Andry Rajoelina izay very fahefana tahaka iny. Mampiasa vola hoentina manakorontana, ka raiso ny vola, fa aza miditra amin’izany, araka ny tenin’ny Filoham-panjakana,…
Toky R
Tsy tena tsapa ilay fanovàna ! Apetrao ny satan'ny tetezamita fanavaozana !"