airtel

Actualités

29-avril-2026

SAVOROVORO TENY

AMIN'NY 67 HA

Sample post image

Nobatain'ireo mpino Silamo nivoaka ny sekoly Jery ny Filohan'ny FSM

29-avril-2026

Nobatain'ireo mpino Silamo tao amin'ny Mosquée navoaka tany ivelan'ny sekoly Jery eny amin'ny 67 ha ny Filohan'ny FSM Fikambanan'ny mpino Slamo Malagasy Atoa Absouary Said Arsène omaly Talata 28 Aprily maraina. Raha ny fanazavana avy amin'ny mpino iray, dia fisandohana andraikitra sy fanararaotam-pahefana no anton'ny nanesorana azy tamin'io faritra io. Tsy filohan'ny FSM intsony i Absouary raha ny fanazavana hatrany saingy nidongy io toerana io hatramin'izay rehefa niantehatra tamin'ny fitondrana teo aloha na ny vonim-boasary. Tsy vitan'izay hoy izy fa manao tsindrio fa lavo sy managadra ireo izay miteny ny tsy mety hataony hatrany no asany. Niteraka savorovoro nandritra ny ora maro teny an-toerana mihitsy moa izany tranga izany. Tsy hanaiky koa mantsy ny anaolahy fa nanohitra tamin'ny heriny rehetra. Tsy nanaiky hatramin'ny farany anefa ireo mpino Slamo ary nanamafy fa efa tonga izao ny fotoanan' ny fanavaozana ka nandroaka azy niala tao amin'ny faritra. Na izany aza dia fantatra fa misy hatrany ny lalana manan-kery mifehy ny fametrahana sy ny fanalana olona iray amin'ny toerany koa andrasana izay mety ho tohin'ny raharaha.
Pati
Légende : Nandritra ny savorovoro teny an-toerana !
 

Dans la même rubrique

19-juin-2026

no tsy manao ezaka mianatra»

Card image cap
19-juin-2026

Haverina ny lanjan’ny fampianarana teknika », hoy ny Minisitra Todisoa

Card image cap
19-juin-2026

lehibe ny tananan'i Talatamaty

Card image cap
19-juin-2026

nalentiny tao anaty rano ny zanany

Card image cap
18-juin-2026

manoloana ny raharaha Iran sy Etazonia

Card image cap
18-juin-2026

Lehilahy iray mpanao saribao naiditra am-ponja vonjimaika

Card image cap