airtel

Actualités

29-avril-2026

KAOMININA TALATAMATY

Hotokanana tsy ho ela ny

Sample post image

birao vaovao, notsofina rano

29-avril-2026

Notsofina rano ny birao vaovaon'ny kaominina Talatamaty, distrikan'Ambohidratrimo izay misy rihina iray ahitana efitrano maherin'ny 10. Fotoam-pivavahana lehibe nentina nisaorana sy nanomezam-boninahitra an'Andriamanitra no nisantarana ny fotoana, no sady nitondra am-bavaka ireo mpiasa rehetra eo anivon'ny kaominîna sy ny asa mbola.hatao ho an'ny vahoaka ihany koa. Nambaran'ny Ben'ny tanana Raharinoasy Elie Dominic fa mendrika tanteraka izao foto-drafitrasa izao ny vahoakan’i Talatamaty. Santatra am-bava rano ihany izao hoy izy fa ho avy tsy ho ela ny tena fitokanana hanasana ireo tompon'andraikitra manerana ny Fokontany miisa 12. Ankoatra ny foto-drafitrasa moa dia fantatra fa tsy manao ambanin-javatra ny resaka fandriampahalemana sy ny fampanarahan-dalana ireo vahoaka ao aminy ny kaominina Talatamaty. Anisan'izany ny fanenjehana ireo mivarotra hosoka toy ny sakafo efa simba izay efa nandraisana fepetra manokana ho fitandroana ny fahasalaman'ny mponina.
Pati
Légende : Nandritra ny lanonana fitsofan-drano !
 

Dans la même rubrique

19-juin-2026

no tsy manao ezaka mianatra»

Card image cap
19-juin-2026

Haverina ny lanjan’ny fampianarana teknika », hoy ny Minisitra Todisoa

Card image cap
19-juin-2026

lehibe ny tananan'i Talatamaty

Card image cap
19-juin-2026

nalentiny tao anaty rano ny zanany

Card image cap
18-juin-2026

manoloana ny raharaha Iran sy Etazonia

Card image cap
18-juin-2026

Lehilahy iray mpanao saribao naiditra am-ponja vonjimaika

Card image cap