airtel

Actualités

30-avril-2026

HORONAN-TSARY MAMOAFADY

Tanora miisa 15 no nosamborina

Sample post image

Tanora miisa 15 no indray

30-avril-2026

nosamborina tany Maroantsetra fa nanao horonan-tsary mamoafady. Taorian’ny fiparitahan’ny horonantsary vitsivitsy heverina fa mifanohitra amin’ny soatoavina Malagasy, navoakan’ny andian-tanora ao amin’ny vondrona iray any an-toerana dia niditra an-tsehatra avy hatrany ny Polisim-pirenena. Tanora 15 mianadahy, lahy sy vavy, eo anelanelan’ny 14 ka hatramin’ny 21 taona avy amina lisea samihafa ao Maroantsetra moa izy ireo, nosamborina ary nentina tao amin’ny Kaomisaria . Nomena fananarana sy torohevitra izy 15 mianadahy tamin'izany ho fanitsiana ny lalany ka ny Lehiben'ny Kaomisaria ny Officier SARISAINA Nicky Nelson no nitarika ny fanitsiana ireto tanora nania ireto. Nantsoina ihany koa ny ray aman-dreniny sy ny mpanabe azy ireo any an-tsekoly nifampidinika tamin’ny manam-pahefana. Taorian’ny fifampiresahana tamin’ny Mpampanoa lalàna dia navotsotra izy ireo, saingy arahi-maso akaiky kosa.
Pati
Légende : Ireto izy 15 mianadahy !

 

Dans la même rubrique

30-avril-2026

ny miaramila sy tanora handoro toby mpihary herinaratra »

Card image cap
29-avril-2026

Tsy tena tsapa ilay fanovàna ! Apetrao ny satan'ny tetezamita fanavaozana !"

Card image cap
29-avril-2026

birao vaovao, notsofina rano

Card image cap
29-avril-2026

Nobatain'ireo mpino Silamo nivoaka ny sekoly Jery ny Filohan'ny FSM

Card image cap