kaominina ambanivohitr’Antanambao Mahatsara, distrikan’i Vatomandry, tsy hita izay nanjavonan'ingahy ben’ny tanàna, raha ny fampitàm-baovao voaray omaly. Nanaitra ny tomponandraikitra eo anivon'ny fitsinjaram-pahefana moa ny mponina ao an-toerana fa mila vahaolana maika i Antanambao Mahatsara fa tsy sahy miakatra an-tanàna ny ben’ny tanàna. Mbola tsy milamina ny ao an-toerana. Simba ny fiarahamonina sy ny fampandehanan-draharaham-panjakàna. Tsy nisy ny fankalazàna ny 26 jona tamin'ny farany teo satria dia tsy hita tao an-toerana ny ben’ny tanàna izay tsy lanim-bahoaka fa lanim-panjakana, hoy ihany ny fanazavàna. Tsy sahy nanatanteraka ny lanonana ihany koa ireo lefitry ny ben'ny tanàna. Tsy sahy mandeha ao amin'ny kaominina tantanany akory ingahy ben’ny tanàna. Izany ve no iainan'ny tanàna mandritra ny 5 taona ho avy ? Aiza ny fampandrosoana handeha satria natao izay hipetrahan'ingahy ben’ny tanàna na dia tsy lany tao anaty fandatsaham-bato aza? Efa nanao antso ny depiote Sophie Ratsiraka ny amin'ny tokony hanendrena PDS na delegasionina manokana ao an-toerana rehefa tsy afaka hiverenana ihany ny didy navoakan'ny filànkevim-panjakàna farany teo na dia nisy porofo maro sy ampy aza naseho. Mila mandray andraikitra ny lehiben’ny distrika ao Vatomandry, hoy hatrany ny antson’ny vato nasondrotry ny tany ao an-toerana!
J. Mirija
Tsy tena tsapa ilay fanovàna ! Apetrao ny satan'ny tetezamita fanavaozana !"