no nihotsahan'ny tany tao amin’ny kaominina Ivato Centre, distrikan’Ambositra, raha ny fampitàm-baovao voaray omaly. Miisa 9 izy ireo no niaraka nanao izany fa avotra ireo hafa. Tavela tao kosa ity raim-pianakaviana ity. Efa nanao ny ezaka rehetra ny mponina manodidina fa tsy avotra intsony ity farany. Omaly, tokony tamin'ny 12 ora sy sasany, no nisehoan'ny loza ary tamin'ny 2 ora mahery vao afaka tao. Tonga teny an-toerana moa ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny notarihin'ny tale kabinetran'ny faritra, ny talem-paritry ny harena ankibon'ny tany, ny talem-paritry ny mponina, ny solontenan'ny VPAN, ny kaomisera eo anivon'ny polisim-pirenena, ny ben'ny tànànan'Ivato Centre, ny Zandarimariam-pirenena, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
J. Mirija sy Pati
Tsy tena tsapa ilay fanovàna ! Apetrao ny satan'ny tetezamita fanavaozana !"