airtel

Actualités

05-mars-2025

VEHIVAVY MALAGASY

Mbola betsaka ireo sahirana, tsy an’asa, iharan’ny herisetra…

Sample post image

Mbola betsaka ny olana sedrain’ny vehivavy Malagasy, indrindra taorian’ny nampidangana

05-mars-2025

mafy ny vidim-piainana sy ny tsy fisian’ny asa. Tsy lazaina intsony ny herisetra ara-batana sy ara-moraly mahazo azy ireny hataon’ny mpampiasa, ny vady ao an-trano…. Anisan’ny antony hankalazana ny andro manerantany ho an’ny zon’ny vehivavy anefa ny mba hahafahana miady amin’izany saingy tsy mbola misy fiovana hatreto. Ny mba hitovian’ny vehivavy zo amin’ny lehilahy no tanjona. Toraka izany koa ny mba hisian’ny lalana matotra miaro azy ireny amin’ireo karazana herisetra mety hitranga. Hankalazaina amin’ny Sabotsy 08 Martsa ho avy izao ny andro manerantany ho an’ny zon’ny vehivavy. Ao Mahajanga no hisantarana ny fankalazana anio Alarobia 05 Martsa hiarahana amin’ireo fikambanana maro samihafa tarihin’ny Ministeran’ny Mponina. Anisan’ny andrasan’ny ankamaroan’ireo vehivavy Malagasy ny hijerena ny lesoka sy tsy mety tamin’ny fehin-kevitra nivoaka tamin’ny taon-dasa hahafahana manatsara ny ho avy. Misy hatrany mantsy ny fampanantenana hatao amin’ny vehivavy isan-taona saingy tsy tena hita soritra sy hiainan’izy ireny eny anivon’ny fiaraha-monina akory izany. Miantso ny Fitondram-panjakana araka izany ireo Filohana fikambanam-behivavy maro isan-tsokajiny mba hijery akaiky ny mikasika izany. Tsiahivina moa fa nanomboka tamin’ny taona 1977 no neken’ny Firenena mikambana ho andro manerantany ho an’ny zon’ny vehivavy ny datin’ny 08 Martsa.
Pati
Legende : Mila tohana sy fanampiana ny vehivavy fa tsy avela hiharan’ny herisetra tahaka izao foana !

 

Dans la même rubrique

02-juin-2025

Teo anatrehan’ny fiakaran’ny vidin’ny entona fandrehitra (gaz butane),

Card image cap
02-juin-2025

DELESTAZY ANY AMIN'NY RN1 Ahiana hitroatra ny vahoaka, ora 8 isan'andro raha kely

Card image cap
02-juin-2025

Miha sahirana indray ny SMA (Société Municipale d’Assainissement) amin’ny

Card image cap
02-juin-2025

Aina miisa telobe izao no indray nafoy tany amin'ny Fokontany Mahambolona,

Card image cap
02-juin-2025

Manahy ny ho tapaka rano koa ireo mponina etsy amin'ny Fokontany 67 Ha Avaratra Andrefana,

Card image cap
02-juin-2025

Efa 45 taona ny nijoroana sy nanaovana fanentanana mikasika ny ady

Card image cap