ny fivoaran’ny vidin-tsolika nanomboka tamin’ny janoary 2025, nampiharina teto Madagasikara ny rafitra fanitsiana ny vidin-tsolika, natao hifehezana ny vidin’ireo vokatra telo lehibe amidy eny amin’ny toby fivarotan-tsolika: ny lasantsy, ny solika fandrehitra, ary ny gazoala ny Ofisim-pirenena momba ny akoran’afo na ny OMS omaly. Ity rafitra ity dia mamela ny fiovan’ny vidin-tsolika isam-bolana, arakaraka ny fiovan’ny vidin’ny solika maneran-tany sy ny tahan’ny fifanakalozana eo amin’ny Ariary sy ny Dolara amerikana. Ferana ho eo anelanelan’ny –200 Ar/l ka hatramin’ny +200 Ar/l isam-bolana, mba hiarovana ny mpanjifa amin’ny fiovaovana tampoka sy mahery vaika moa io. Araka ny fivoaran’ny vidiny, ny lasantsy dia nidina avy amin’ny 5900 Ar/litre ho 5060 Ar/l, ny solika fandrehitra niakatra avy amin’ny 2430 Ar/l ho 3470 Ar/l, ary ny gazoala nidina avy amin’ny 4900 Ar/l ho 4550 Ar/l. Ireo fiovana ireo dia maneho ny fiantraikan’ny rafitra fanitsiana vaovao izay manaraka mivantana ny fiovan’ny tsena iraisam-pirenena. Ny tanjona fototra amin’ity rafitra ity dia ny hanamafisana ny fitantanana ara-bola amin’ny alalan’ny fifehezana ny fanampiana ara-bola aloa amin’ny solika, ny fiantohana fitoniana ara-toekarena amin’ny alalan’ny fanitsiana tsikelikely sy voafehy, ary ny fametrahana mangarahara amin’ny fomba fikajiana ny vidin-tsolika, raha ny fanamafisana. Izany dia mikendry ny hanamafy orina ny fahatokisan’ny mpisehatra ara-toekarena sy ny fahafahana maminavina mialoha ny fiovan’ny vidiny. Raha jerena amin’ny sehatra iraisam-pirenena, ny vidin’ny gazoala eto Madagasikara tamin’ny 10 novambra 2025 dia isan’ny ambany indrindra. Raha ampitahaina amin’ny firenena manodidina, ny vidin’ny lasantsy dia eo anelanelan’ny 1.0 ka hatramin’ny 1.6 USD/litre, ary ny gazoala eo anelanelan’ny 0.8 ka hatramin’ny 1.8 USD/litre. Eo anelanelan’ny 1-5 amin’ny volana no mety hisy fiovana amin’ny vidin-tsolika, na fidinana na fiakarana, saingy tsy mihoatra ny 200 Ar/l. Ho an’ny volana desambra, vinavinaina hisy fiakarana, saingy tsy hihoatra an’ilay 200Ar, raha ny fanamafisana.
Toky R