hoy Lalaina Harimanana Ratsizafy, lehiben’ny sampana fanarenana sy fiaraha-miombon’antoka ao amin’ny fonjan’Antanimora. Manomana sahady ireo voafonja ireo izahay mpandraharahan’ny fonja hiverina eny amin’ny fiarahamonina mandritry ny fotoana hamonjana azy, hoy izy. Ao ny famerenana amin’ny lafiny sosialy. Ao ny famerenana amin’ny lafiny ekonomika. Misy ny fampianarana mamaky teny sy manoratra, ny fampianarana ara-kasa omenay ireo voafonja ireo, isany ny fampianarana taovolo, mandrary, manjaitra sy ny maro. Ho an’ireo zazalahikely tsy ampy taona moa dia tena misy fampianarana arahany mihitsy. Na dia ampianarina izany rehetra izany anefa aza izy ka mivoaka ato dia mitady asa saingy tsy misy manome dia indraindray isika fiarahamonina mihitsy no mampirisika azy hamerina ny heloka nataony satria tsy maintsy mitady izay hohaniny izy. Anjara andraikitry ny olompirenena tsy an-kanavaka, noho izany, fa tsy ny mpiantsehatra anaty fonja ihany no manampy ireo voafonja hiverina anaty fiarahamonina. Manao antsoavo amin’ireo fianakavian’ny voafonja hahazo ny famotsoran-keloky ny filoham-pirenena na “grâce présidentielle” aho raha toa ka hisy izany. Mora tohina ireo olona ireo rehefa tafaverina any aminareo any ka mila anareo mahay mandray azy. Mila anareo manakatra ny mahazo azy. Omeo toky izy ireo hoe mbola havanareo. Manantena izany famotsoran-keloka izany daholo ny voafonja voatsara rehetra saingy miankina amin’ny fanjakana foibe moa ny mamaritra ny tokony hahazo izany. 60 taona izao no zokiny indrindra amin’ireo vehivavy voafonja. Ny vehivavy maherin’ny 60 taona nahavita ny atsasan-tsaziny tamin’ny volana jona tsinona izao no nahazo famotsoran-keloka, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Teo anatrehan’ny fiakaran’ny vidin’ny entona fandrehitra (gaz butane),
DELESTAZY ANY AMIN'NY RN1 Ahiana hitroatra ny vahoaka, ora 8 isan'andro raha kely
Miha sahirana indray ny SMA (Société Municipale d’Assainissement) amin’ny
Aina miisa telobe izao no indray nafoy tany amin'ny Fokontany Mahambolona,
Manahy ny ho tapaka rano koa ireo mponina etsy amin'ny Fokontany 67 Ha Avaratra Andrefana,
Efa 45 taona ny nijoroana sy nanaovana fanentanana mikasika ny ady