airtel

Actualités

10-janv-2025

Vokatry ny fahantrana

Mihamitombo ireo vehivavy mpivaro-tena

Sample post image

Mihamitombo ireo vehivavy mpivaro-tena mijorojoro eny amoron-dalana vokatry ny fahantrana sy ny tsy fisian’asa,

10-janv-2025

raha araka ny fanadihadiana natao. Ankoatra ny eny Tsaralalana dia efa saika ahitana azy ireny avokoa ny faritra maro ivelan’Antananarivo renivohitra toy ny eny Itaosy, Andoahatapenaka, Antohomadinika,…Ho an’ny eny Andohatapenaka manokana dia fantatra fa mitombo isa isan’andro izy ireo. Noho ny tsy fisian’ny asa no voalaza fa antony mahatonga izany. Vehivavy efa saika niteraka ny ankamaroan’izy ireny ka iray raha kely ny zanany. Mitombo ireo mpifaninana amin’ny asa fivarotantena vokatr’izany eto Antananarivo sy ny manodidina. Tsiahivina moa fa na izy ireny aza dia samy mahatsapa fa mety hahafaty ny fanaovana asa fivarotantena indrindra raha tsy mampiasa fitaovana toy ny kapaoty. Na ny rano alaina hikarama hanasana lamban’olona aza anefa hoy ny sasany tsy misy ka tsy hitany intsony izay hatao. Ny hany hangatahin’izy ireny dia ny tokony hijeren’ny Fitondram-panjakana ny tontolon’ny asa eto amintsika, indrindra fa ny mba hahafahan’ny rehetra manao izany eny fa na dia ireo tsy manana diplaoma aza.
Pati
Legende : Mety hampihanaka haingana ny aretina SIDA eto amintsika ny asa fivarotantena !

 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Nanokatra ny fampiratiana ara-pizahatany ITM (Iternational Tourism Fair) andiany faha-11 ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina omaly.

Card image cap
13-juin-2025

Anisan’ny navoitran’ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly teny amin’ny Antenimierampirenena ny hoe :

Card image cap
13-juin-2025

Renim-pianakaviana iray monina eny Fenoarivo Atsimondrano eny no fantatra

Card image cap
12-juin-2025

Na ny ao amin’ny JIRAMA aza izao izany dia milaza fa hatramin’ny faran’ny taona

Card image cap
12-juin-2025

Manamafy avo roa heny ny fahamailoana ny SAMIFIN izay sampan-draharaha misahana

Card image cap
12-juin-2025

Lany teny anivon'ny Antenimieram-pirenena ny tolo-dalàna miaro manokana ireo varira

Card image cap