Zary lasa fiainan’izy ireo mantsy ny mampiasa ireny finday ireny hany ka mahatsiaro ho voafehy tanteraka rehefa tsy mahazo mitondra izany any an-tsekoly, indrindra rehefa tapitra tahaka izao ny fotoam-pialan-tsasatra. Ny tena mampalahelo raha araka ny fanadihadiana natao dia mitarika ny ankizy hangalatra amin’ny Ray aman-dReniny mihitsy ny fampiasany diso tafahoatra ireny finday ireny. Misy mahavita mikepoka ny saram-pianarany mihitsy mantsy ny sasany mba hividianana fahana hanaovana facebook sy hanarahan’izy ireo ireo karazan-damaody hita ao anatiny ho an’ny tovovavy. Ho ana sekoly tsy miankina iray eny Atsimondrano eny dia fantatra fa miisa 5 isan-kilasy eo raha kely ireo ankizy ao amin’ny kilasy faha-9, faha-10, faha-11 ary faha-12 manao izany isam-bolana ka misy manao izany mba hividianany sigara ny sasany. Efa voaraoka any am-pianarana ny zanany vao tonga saina ireo Ray aman-dReny sasany saingy efa tara loatra. Efa banga tapa-bolana mantsy raha kely ny fotoana tsy nianaran’ilay ankizy tany am-pianarana….Miantso ny Ray aman-dReny mba hanara-maso ny fampiasan’ireo menaky ny ainy finday araka izany ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny. Tsy voatery ho ratsy mantsy ny fampiasana azy ireny saingy ilana fifehezantena kosa hisorohana ny fahadisoam-panantenana mety hahazo ireo Ray aman-dReny.
Pati
Legende : Ahitana zavatra mahasoa nefa mety mampidi-doza koa ny filalaovana finday diso tafahoatra hataon’ny ankizy !
Nanokatra ny fampiratiana ara-pizahatany ITM (Iternational Tourism Fair) andiany faha-11 ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina omaly.
Anisan’ny navoitran’ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly teny amin’ny Antenimierampirenena ny hoe :
Renim-pianakaviana iray monina eny Fenoarivo Atsimondrano eny no fantatra
Na ny ao amin’ny JIRAMA aza izao izany dia milaza fa hatramin’ny faran’ny taona
Manamafy avo roa heny ny fahamailoana ny SAMIFIN izay sampan-draharaha misahana
Lany teny anivon'ny Antenimieram-pirenena ny tolo-dalàna miaro manokana ireo varira