airtel

Actualités

05-janv-2024

Zandarimariam-pirenena

« Nandà ny fiantsoana tsotra i Tatandraza, fianjerana no nahavoa azy »

Sample post image

Nitondra fanazavana ny zandarimariam-pirenena manoloana ny

05-janv-2024

fanehoana samihafa tato amin'ny tambajotra "Facebook" mahakasika an'i Marc Tatandraza. Ny 31 desambra 2023 tolakandro dia nosamborina tao Bekily tokoa i Marc Tatandraza noho ny famotorana ara-pitsarana ilàna azy aty Fiadanana Antananarivo; ka ny Komandin'ny Compagnie Bekily no nanatanteraka izany fisamborana izany, hoy ny fanazavana. « Nanda ny fiantsoana azy tsotra anefa izy ka voatery nosamborina. Nandritra izany dia nisy ny fanoherana mafy nataony ka niteraka fianjerany tamin'ny lalana izay namparatra ny handriny sy ny vavany. Tsy nisy zandary mamo na nikasi-tanana an'i Marc Tatandraza mihitsy nandritra ny fisamborana; Ary nisy vavolombelona sivily maromaro teo », hoy ny fanazavan’ny mpitandro filaminana. Rahefa tao Isoanala Betroka hihazo an'Antananarivo dia nihato kely ny dia ary efa natomboka sahady ny famotorana, ka rehefa azo avoaka ireo angom-baovao taminy dia navotsotra sy nalefa nody ary mbola nomena fitsaboana tao amin'ny Hopitaly anarahana ny fahasalamany tanteraka. Ny zavatra iaraha-mahita etsy andanin'izany anefa dia misy horonan-tsary misy rà mijininika asehony aty aoriana, raha toa ka sarina ratra tsotra no navoakany taorian'ny nisamborana azy, hoy hatrany ny fanampim-panazavana. Mikasika ny filazana indray fa mamonomono olona fahatany ny zandary ao Bekily dia nomarihin’ny zandary fa hatreto aloha mbola tsy nisy taratasy fitoriana mahakasika izany na koa olona tonga nitaraina. Notsipihina ihany koa fa tsy manenjika olona madio ny Zandarimaria fa ireo izay mpandika lalàna ihany, ary mitazam-potsiny ny toetra tsy mendrika ataon'ny zandary fa tsy maintsy misy fepetra ara-tsazy raisina, eny hatramin'ny fitondrana ny raharaha eny amin'ny Fitsarana mihitsy aza, raha voamarina misy ny fandikana fitsipika na lalàna miseho. Efa misokatra kosa ny famotorana mahakasika ny fanehoana nataon'i Marc Tatandraza ireo hahafahana mamantatra marina ny zavatra nitranga ka hamaritana ny anjara andraikitry ny tsirairay tao anatin'iny tranga iny sy handraisana ny fepetra mifanandrify amin'izany, hoy ny fanazavana.
Toky R

 

Dans la même rubrique

14-mai-2024

Nifoha indray ny afera Jirama mikasika kolikoly goavana nahasaraingotra ireo mpitantana sasany.

Card image cap
14-mai-2024

Mbola mahatratra 50.000 ireo raharaham-pitsarana mihantona eo anivon’ny Fitsarana ambaratonga

Card image cap
14-mai-2024

12 tapitrisa Ariary no vidin’ilay vola volamena 50 Ariary milanja 1 Oz na 31,104 grama,

Card image cap
14-mai-2024

Endrey izany fiedinedin’ireo mpanao politika, maneho ny antsoina hoe :

Card image cap
14-mai-2024

Mikolay ny mpampiasa sy mpikirakira internet nanomboka ny alahady tolakandro teo noho ny haratsian’ny

Card image cap
14-mai-2024

Lasa mpilalao sary mihetsika malaza i Marc Tatandraza.

Card image cap