airtel

Actualités

17-avril-2023

Actualités

Zaridainan’Ambohijatovo 500 Ar ny saram-pidirana, mampitaraina ny olona

Sample post image

Mampitaraina ny ankamaroan’ny mpitsangatsangana nanomboka tamin’ny Alatsinain’ny Paska teo ny vidim-pidirana 500 Ar isan’olona tsy maintsy aloha rehefa hiditra etsy amin’ny zaridainan’Ambohijatovo

17-avril-2023

Misy amin’ireny olona ireny mantsy no mba te-hiala voly kely sy hitondra ireo zanany haka rivotra ary tsy manana afa-tsy saran-dalana hiverenana mody, indrindra fa rehefa faran’ny herinandro. Vokany, lasa mihainohaino eny ivelany fotsiny ny sasany. Toraka izany ihany koa ireo mpianatra mitady toerana mba hisakafoanana atoandro rehefa andavanandro. Tokony hahidina 200 Ar izany raha araka ny hevitr’ireo olona sasany raha vola hikojakojana ny ivon-toerana tahaka ireny no tena olana. Io mantsy no mba mety ho zakan’ny sarambabem-bahoaka hoy izy ireo. Mikasika ny tranga tamin’ny Alatsinain’ny Paska teo moa dia fantatra fa tena hipokon’olona tokoa ny zaridainan’Ambohijatovo. Tampoka tamin’ny ankamaroan’ny olona io fidirana 500 Ar io saingy na izany aza samy niezaka ny rehetra nanao izay vitany nampifaliana ny ankohonany. Ny fidinan’izany ho 200 Ar noho izany no handrandrain’ny maro mandritra ny fankalazana ny fetin’ny Pentekosta ho avy izao izay homarihina ny 28 sy ny 29 mey.
Pati
Legende : Nantenain’ny olona ho maimaimpoana ny fitsidihana ny zaridainan’Ambohijatovo kinanjo …..
 

Dans la même rubrique

02-juin-2025

Teo anatrehan’ny fiakaran’ny vidin’ny entona fandrehitra (gaz butane),

Card image cap
02-juin-2025

DELESTAZY ANY AMIN'NY RN1 Ahiana hitroatra ny vahoaka, ora 8 isan'andro raha kely

Card image cap
02-juin-2025

Miha sahirana indray ny SMA (Société Municipale d’Assainissement) amin’ny

Card image cap
02-juin-2025

Aina miisa telobe izao no indray nafoy tany amin'ny Fokontany Mahambolona,

Card image cap
02-juin-2025

Manahy ny ho tapaka rano koa ireo mponina etsy amin'ny Fokontany 67 Ha Avaratra Andrefana,

Card image cap
02-juin-2025

Efa 45 taona ny nijoroana sy nanaovana fanentanana mikasika ny ady

Card image cap