airtel

Actualités

18-janv-2024

Zaza 10 taona sy zandriny nisy nanolana

Very an-javony ny raharaha, hoy ny fianakaviana

Sample post image

Zazavavy kely miisa 2, mpirahavavy iray tampoho,

18-janv-2024

no niharan’ny fanolanana miverimberina tamin’iny taona 2023 iny, tao Amontana, Fianarantsoa, raha ny fampitam-baovao voaray omaly. Ilay zokiny 10 taona no tena nanamparan’ny lehilahy miisa 2 izany. Nataon’izy ireo aloha sy aoriana. Ilay zandriny kosa, nolalaovin’izy ireo ny fivaviany. Efa nisaraka ny ray sy renin’izy roavavy. Ny rain’izy ireo no miantoka azy ireo. Izy nanasa ny akanjon’izy mirahavavy no nahita rà tamin’ny atin’akanjo. Teo no nanomboka ny fanontaniana azy mirahavavy. Zareo moa noferan’ireo nanao ny herisetra tsy hiteniteny izay nanjo azy ireo. Ny 9 desambra teo no natao ny famotorana. Hatreto, mitaraina ny fianakaviana fa voarirarira. Mampalahelo ny zava-misy eto Fianarantsoa, hoy ny fianakaviana. Manasa ny tomponandraikitra isan-tsokajiny mba hijery ity tranga ity. Nanao kilasy mandry tao amin’ny “Maîtresse” na mpanabe azy ireo izy 2 vavy kely ho fanaraha-maso kokoa ny fianaran'izy ireo. Nanao fifanarahana izy sy ny dadany tamin'izany satria koa hono tsy niteraka ilay “Maitresse”. Naolan'ny sipan’i “Maîtresse” sy ny zanak'anadihin’i “Maitresse” ilay zazavavy kely zokiny. Simba tanteraka ny fivaviany. Aloha sy afara nataon'izy ireo avokoa, hoy ity fianakaviana ity mitantara. Naka “certificat médical” na sertifika mikasika ny fahasalamana dia milaza ny fahasimbana tamin’ny voalohany. Nasaina naverina indray dia hoe virijiny. Efa nisy kolikoly tao. Tsy niditra na dia “violon”, izany hoe fiazonana vonjimaika am-ponja ireo olona ireo fa dia mbola any mandehandeha any. Miandry “parquet” na fampanoavana, hono. Malahelo ny fianakaviana manana ny simba na ny amin’ny mety ho fahasalaman’ny zaza ka manasa ny filoham-pirenena Andry Rajoelina sy ireo tomponandraikitra voakasika rehetra mba hijery ity tranga ity fa mahonena, hoy hatrany ny fitarainan’ireo fianakaviana.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

14-mai-2024

Nifoha indray ny afera Jirama mikasika kolikoly goavana nahasaraingotra ireo mpitantana sasany.

Card image cap
14-mai-2024

Mbola mahatratra 50.000 ireo raharaham-pitsarana mihantona eo anivon’ny Fitsarana ambaratonga

Card image cap
14-mai-2024

12 tapitrisa Ariary no vidin’ilay vola volamena 50 Ariary milanja 1 Oz na 31,104 grama,

Card image cap
14-mai-2024

Endrey izany fiedinedin’ireo mpanao politika, maneho ny antsoina hoe :

Card image cap
14-mai-2024

Mikolay ny mpampiasa sy mpikirakira internet nanomboka ny alahady tolakandro teo noho ny haratsian’ny

Card image cap
14-mai-2024

Lasa mpilalao sary mihetsika malaza i Marc Tatandraza.

Card image cap