airtel

Actualités

21-mars-2025

ZAZA FITO VOLANA

Mifanilika ho samy tsy tompon’andraikitra izy mivady ?

Sample post image

21-mars-2025

Misy akony goavana eo anivon’ny fiainam-piarahamonina ny fahasahiranana mianjady amin’ny isam-baravarana ankehitriny. Mahavita manary na mamono ny zanaka naloaky ny tsinainy mihitsy ireo Ray aman-dReniny sasany toy ny vao nitranga tany Antsirabe farany teo sy teny akaikin’ny Maternite Befelatanana ny alin’ny 16 Martsa teo. Zazakely vao 7 volana monja no fantatra fa narian’ireo nahitany masoandro ka olona tsara sitrapo nandalo no nampandre ny kaomisarian’ny Boriborintany fahadimy. Ny kitapolely hita niaraka tamin’ity zaza ity nahitana antontan-taratasy no nahafantarana ireo Ray aman-dReniny izay efa tonga teny anivon’ny mpitandro ny filaminana ka manaraka fanadihadiaka lalina. Raha araka ny loharanom-baovao dia mifanilika ho samy tsy tompon’andraikitra tamin’ny nanariana ilay menaky ny ainy izy mivady ireo. Andrasana araka izany izay mety ho tohin’ny raharaha. Voarara ary tsy eken’ny lalana mantsy ny fanariana zanaka tahaka izao. Adidin’ny Ray aman-dReny ny mamelona an-janany na firy na firy isany, raha tsiahivina. Mananjo hisakafo, hotafiana, hotsaboina raha marary, hianatra, hilalao….ihany koa ny ankizy fa tsy sanatria ompiana tahaka ny biby fiompy ao an-tokantrano fotsiny ary hatao mpamelona rehefa afaka mangataka….
Nangonin’i Pati
Legende : Efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy moa ity zaza ity noho ny fikarakaran’ny Polisy misahana ny zaza tsy ampy taona na ny PMM!

 

Dans la même rubrique

14-nov-2025

Tany amin’ny fakàna ny Airbus A 340

Card image cap
14-nov-2025

Tafakatra 3 ireo mpiasan’ny Jirama

Card image cap
14-nov-2025

Te hanohy ny fiaraha-miasa amin’i Madagasikara ny

Card image cap
14-nov-2025

Mihazakazaka ny raharaha 11 miliara nindramin’ny

Card image cap