airtel

Actualités

20-juin-2024

ZAZA TSY AMPY TAONA VOAFONJA

Mitontaly 600 isa manerana ny Nosy

Sample post image

Mahatratra 600 isa amin’izao ireo zaza tsy ampy taona voafonja manefa ny saziny manerana ny Nosy,

20-juin-2024

raha araka ny antontan’isa avy amin’ny Ministeran’ny Fitsarana, tarihin’ny Ministra mitahiry ny fitombokasem-panjakana Landy Randriamanantenasoa. Ankoatra ny halatra madinidinika sy ny resaka fifamonoana dia misy koa ireo nangalatra omby toy ny any amin’ny faritra, nahafaty ny olona akaiky azy noho ny fihetsem-po diso tafahoatra… Nisongadina izany nandritra ilay atrikasa mandritra ny 3 andro tanterahin’ireo mpitsara rehetra manerana an’i Madagasikara izay miandraikitra ny fitsarana ny ankizy tsy ampy taona, vatsian’ny UNICEF vola. Tanjona amin’ny fihaonana moa ny hampitoviana sy hanatsarana ny fomba fiasan’ny tsirairay avy manoloana ny fandraisana an-tanana ny antontan-taratasin’ireo zaza tsy ampy taona nanao heloka na niharamboina. Tsy latsa-danja amin’izany ny fampiharana ireo fifanarahana iraisam-pirenena nankatoavin’i Madagasikara izay hampahafantarina ireo mpitsara marobe mandray anjara. Tsiahivina moa fa mitady vahaolana ny amin’ny hampihenana ny isan’ireo ankizy latsaky ny 18 taona mipetraka eny amin’ny toeram-pamonjana koa izy ireo. Ny hamindrana ireto farany eny amin’ny Akany sy toeram-panabeazana no tanjona hahafahany manovo fahalalana hiatrehany ny ho aviny no sady hamitany ny saziny ihany koa.
Pati
Legende : Rtoa Ministry ny Fitsarana, Landy Randriamanantenasoa !
 

Dans la même rubrique

02-juin-2025

Teo anatrehan’ny fiakaran’ny vidin’ny entona fandrehitra (gaz butane),

Card image cap
02-juin-2025

DELESTAZY ANY AMIN'NY RN1 Ahiana hitroatra ny vahoaka, ora 8 isan'andro raha kely

Card image cap
02-juin-2025

Miha sahirana indray ny SMA (Société Municipale d’Assainissement) amin’ny

Card image cap
02-juin-2025

Aina miisa telobe izao no indray nafoy tany amin'ny Fokontany Mahambolona,

Card image cap
02-juin-2025

Manahy ny ho tapaka rano koa ireo mponina etsy amin'ny Fokontany 67 Ha Avaratra Andrefana,

Card image cap
02-juin-2025

Efa 45 taona ny nijoroana sy nanaovana fanentanana mikasika ny ady

Card image cap