airtel

Actualités

08-févr-2024

Zaza tsy taona mivaro-tena sy misotro toaka

Natao savahao ny hotely sy Karaoke tao Toliara

Sample post image

Toeram-pisotroana sy hotely fandraisam-bahiny ary karaoke maro no

08-févr-2024

nanaovanan’ny polisim-pirenena fidinana ifotony omaly tao an-drenivohitr’i Toliara. Ho fanaraha-maso sy ho fisorohana ny fandehanan'ireo zaza latsaky ny 18 taona amin’ ireny toerana ireny izay marihina fa tena mahazo vahana ao Toliara ao no tanjona. Ho an’ny trano fandraisam-bahiny manokana dia fantatra fa mbola maro ireo tovovavy tsy ampy taona tonga mivaro-tena any amin’izy ireny, entin’ireo vazaha sy mpanam-bola. Toraka izany koa ny karaoke. Tafiditra ao anatin'ny paikady entin'ireo polisy misahana ny zaza tsy ampy taona sy ho fiarovana ny zaza amam-behivavy miady amin’ny herisetra sy fanararaotana atao amin’ ireo olona marefo ny hetsika tahaka izao. Amin’ny ankapobeny mantsy dia saika any amin’ireny toerana ireny no miafina ireo mpanolana sy mpangalatra ary mpamaky trano ka rehefa tonga ny ora fivoahany dia mivoaka izy ireny, indrindra fa ny bara.
Pati
Legende : Mbola hitohy ny hetsika hataon’ireo polisim-pirenena !
 

Dans la même rubrique

14-mai-2024

Nifoha indray ny afera Jirama mikasika kolikoly goavana nahasaraingotra ireo mpitantana sasany.

Card image cap
14-mai-2024

Mbola mahatratra 50.000 ireo raharaham-pitsarana mihantona eo anivon’ny Fitsarana ambaratonga

Card image cap
14-mai-2024

12 tapitrisa Ariary no vidin’ilay vola volamena 50 Ariary milanja 1 Oz na 31,104 grama,

Card image cap
14-mai-2024

Endrey izany fiedinedin’ireo mpanao politika, maneho ny antsoina hoe :

Card image cap
14-mai-2024

Mikolay ny mpampiasa sy mpikirakira internet nanomboka ny alahady tolakandro teo noho ny haratsian’ny

Card image cap
14-mai-2024

Lasa mpilalao sary mihetsika malaza i Marc Tatandraza.

Card image cap