Nisy hetsika manokana nataon’ny Zandarimariam-pirenena hiadiana amin’ny tsy fandriampahalemana sy ny asan-dahalo tao amin’ny distrikan’i Mandoto, izay nahazoana vokatra lehibe. Tamin’ny sava hao natao tany amin’ireo faritra heverina ho fieren’ny dahalo dia tra-tehaka ny basy mahery vaika miisa roa sy poleta vita gasy iray, araka ny tatitra ofisialy. Ny alarobia 06 may 2026 no nanombohan’ny hetsika, ka kaomina telo no nifantohan’ny asa: Ambohimanambola, Andrembesoa ary Manapa, izay samy any atsimo andrefan’ny distrika. Ireo toerana ireo dia fantatra ho lalan’ny omby halatra sy toeram-piafenan’ny dahalo. Angom-baovao avy amin’ny olona tsara sitrapo no nahafahan’ny mpitandro filaminana nanao ny fikarohana. Tao Marotsingala, fokontany Vatogaga, dia hita ny basy Kalachnikov (AKM) iray sy poleta vita gasy iray, raha tao Ampizahana, fokontany Boana, kosa no nahitana basy MAS 36 iray. Na dia tafaporitsaka aza ireo olon-dratsy tamin’ny fahatongavan’ny Zandarimaria, dia mbola mitohy ny fikarohana sy fanenjehana azy ireo. Manamafy ny Zandarimariam-pirenena fa tsy hilefitra amin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana sy ny asan-dahalo, ary mitohy hatrany ny hetsika eny an-kianja ho fiarovana ny vahoaka sy ny fananany.
Toky R